Mahavelom-bolo ny politikan’ny filoha Ravalomanana ho an’ny tanora

Nanatrika ny fotoana hamolavolana izay ho solombavambahoaka (Casting) notanterahina ny Alatsinainy 18 Febroary 2019 lasa teo ny TMMR.

Mahavelombolo ny politikan’ny filoha Ravalomanana ho an’ny tanora. Na dia tsy eo amin’ny fitondrana aza ny tenany dia nampirisika ny tanora hijoro sy handray andraikitra izy. Hijery manokana anareo aho hoy izy.

Zava-dehibe hoy izy izao fijoroanareo izao ary manana foto-kevitra tsara sy mendrika; mendrika ho an’ny taniketsan’ny antokontsika. Gaga aza ny tenako hoy izy raha tsy dia mahita tanora mijoro firy ho solombavambahoaka kanefa ianareo izao no ilaina.

Nanome toky izy fa hisy fihofanana manokana ho an’ny tanora homanina eny amin’ny QG Bel’Air ary efa vonona ny hefitrano sy fitaovana hahafahana manao izany ka omena safidy malalaka ny tanora hisafidy izay taranja mba iriny toy ny “sciences politiques”, “leadership”; sns.

Nisy moa ny fitsidihana manokana ireo hefitrano tamin’izany. Tamin’io fotoana io ihany koa moa no nanoloran’ny TMMR izay heveriny fa mendrika ny ho kandida solombavambahoaka sy mendrika an’i Dada sy ny TIM-K25: olona madio, mahatoky, olom-baovao ary azo antoka fa tsy ho voavidy vola.

Mamonjy Ny Rina