Mila olom-baovao sy ainga vao ny depiote TIM.K25

Sôh’son

Mikaon-doha fatratra amin’izao fotoana izao ireo etamazaoro politika rehetra misy eto amin’ny firenena, eny hatramin’ireo lazaina ho marefo aza, izany hoe ireo maivana ara-pototra (base).

Samy mikendry mafy ny hahazo toerana eny amin’ny antenimieram-pirenena mantsy ka hahatafiditra olona eny, amin’ny faha-27 Mey ho
avy izao.

Ankavitsiana ihany ireo nitaraina ny amin’ny fampiakarana ny vola harotsaka ho amin’ny filatsahan-ko fidiana tao anatin’izay fotoana efa nanambarana ny amin’ny datin’ny fifidianana sy ny
fisokafan’ny fanoratana anarana hirotsaka izay.

Anjatony ireo antoko politika mijoro eto amin’ny firenena. Vitsy ihany anefa no azo lazaina ho matanjaka sy manana olona mpanohana sy mpikambana ao
anatiny. Iray amin’izany ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM) sy ny K25, izay na teo aza ny zava-nisy tamin’ny fifidianana filoham-pirenena natao teo, izay karazany voavelin’ny kibain’ny tsy
fahamarinana ihany dia mbola mijoro tsara ary vao mainka aza miha-mahazo hery hatrany indray arakaraka ny fotoana.

Ny tsikaritra tao anatin’izay andro maromaro izay, dia be ireo te ho kandida hirotsaka hofidiana solombavambahoaka hatolotry ny antoko. Hita tao anatin’izany ireo efa teo, izany hoe efa depioté teo aloha, ary mbola mikasa hiverina amin’izany toerana izany. Misy ihany koa anefa ireo olom-baovao izay mihevitra fa hahavita tsaratsara kokoa noho ireo teo aloha.

Niaraha-nahita ny zava-nisy teny amin’ny antenimieram-pirenena sy ny teny anivon’ireo toerana na faritra nisy ireo depioté teo aloha sy ny nataon’izy ireo. Raha araka ny hevitry ny olom-pirenena maro dia ilaina ny olom-baovao sy ainga vao mba hitondra hevi-baovao, tsy lany olomanga rahateo ny TIM.K25 manerana ny Nosy. Mazava loatra fa manana fomba fijery sy hevi-baovao izy ireo. Tsy tokony hisy intsony ny famerenana amin’ny toerany ireo depiote sasany hita ho tsy nahavita mihitsy ny andraikitra nandrasana taminy. Tsy tokony ho voafitaka amin’ny safidy izay hotendreny ihany koa ny tomponandraikitra voalohan’ny antoko lehibe eto amin’ny firenena ity. IIaina ihany koa ny fitandremana satria fantatra fa misy antokon’olona manana fikendrena hafahafa mba tsy ilazana hoe ratsy mihitsy, mitady hampiditra olona eny Tsimbazaza handaniany ny lalàna tsy mendrika ny firenena.

Ilaina araka izany ny olona manana ny maha izy azy sy fanta-pototra tsara, olom-baovao ny ankamaroany
no hofidian’ny filoha nasionalin’ny antoko sy ny vondrona TIM.K25, Marc Ravalomanana. Amin’izay fotoana izay, tsy ny fahombiazan’ny antoko ihany no ho azo fa fahombiazana ho an’ny firenena Malagasy
mihitsy.