Raharaha andramena – Mifamono ny samy Mafià

https://observers.france24.com/fr/20140617-images-trafic-bois-rose-bat-son-plein-madagascar
Stocks de rondins près du parc de Mananara-Nord (France 24, photo 2014)

Andry Tsiavalona

Izao tokoa no tonga amin’ilay fitenenana: tànana zatra mitsotra tsy afaka mivokona intsony. Nanomboka tamin’ny taona 2009 dia niaraha-niaina ny fisamborana sy fisavana tranon’olona tsy fantatra ny antony fa dia nandry tsy lavo loha ireo olompirenena azo lazaina fa nanana ny heviny momba ny raharaham-pirenena, ka nitaky ny famerenana ny ara-dalàna, sy tsy nanaiky ny fanonganam-panjakana, rehefa tratry ny antsojay ka namoronana vesatra nitondrana azy teny amin’ny fitsarana. Noho izany dia nangina ireny olona ireny satria na teo aza ny fitiava-tanindrazana nivaivay tao anatiny dia naleony nipirimpirina aloha.

Niainana teto amin’ity Firenena ity ny gaboraraka, samy nanao izay tiany ny mpitondra sy ny akôlitany ka teo ny namoaka an-tsokosoko ny harem-pirenena: an-kibon’ny tany, ambonin’ny tany (hazo sarobidy), ny biby tsy misy afa tsy eto (indrindra ny sokatra). Niaraha- nahalala ihany koa ny fivarotana tany tamin’ny vahiny, ny fanomezana “permis d’exploitation” ho an’ireo orinasa vahiny mpitrandraka vatosoa ngezalahy izay nanilika ireo teratany tamin’ny tanàna fonenany. Nisy tratra tany amin’ny firenena ivelany ireny harem-pirenena ireny kanefa dia tsy nisy fantatra izay nisy azy ireny na dia nolazaina aza fa tafaverina teto an-tanindrazana satria efa tafapetraka ilay tambazotra mpanao ratsy (réseau mafieux). Tao anatin’ny dimy taona (2009-2014) dia nisy tamin’ireo mpitondra no lasa mpanefoefo ka nahavidy trano any ivelany mihitsy (Lafrantsa ohatra). Rehefa nitsangana ny Repoblika IV dia mbola nitohy izany fambotriana ny Firenena izany ka anisan’ireo firenena dimy mahantra indrindra i Madagasikara ary roambisivifolo isan-jaton’ny vahoaka Malagasy dia zara raha mahita ohanina isanandro. Raha atao izany ny tambatra dia valo isan-jaton’ny mponina no mitavana ny harena eto. Ny zava-misy dia samy niara-nitsentsitra ny vahoaka Malagasy ireo mpitondra tamin’ny tetezamita izay Rajoelina Andry Nirina no filohany sy ireo mpitondra tamin’ny Repoblika IV notantanan-dRajaonarimampianina Hery. Rehefa lany ho filohan’ny Repoblika anefa ity farany dia nahiliny teo amin’ny fitondrana iretsy namany nandritra ny tetezamita, ka ilay lehibe tompon’ny fahefana sy tsy refesi-mandidy teo dia voatery nisintaka rehefa tsy voatendry ho Praiminisitra na dia nanana ny maro an’isa aza tao amin’ny Antenimieram-pirenena ary indrindra noho ny didy navoakan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana izay niaro an-kolaka ny filohan’ny Repoblika. Satria efa nifindra tànana ny fitantanana ilay tambazotra dia nanao izay nanangonan-karena ihany koa ireo nanam-pahefana tao amin’ny Repoblika IV ka tsy nitsahatra teo ny fitrandrahana gaboraraka ny harena an-kibon’ny tany ary nihitatra hatrany an-dranomasina sy ny fanodinkodinana fananam-bahoaka no nataon’ny tànana an-kavanan’ny filohan’ny Repoblika.

Na izany aza dia nanaitra ihany ny nahitàna mpanolotsain’ny filoha nosamborina sy nogadraina ka tsy fantatra na nentina nanaronana ny ratsy nataon’ny hafa iny hetsika iny satria misy niray tsikombakomba tamin’ity ramatoa ity kanefa mbola miriaria hatramin’izao. Nitsimbadika ny tantara ka tafaverina eo amin’ny sezam-pahefana indray ilay nahilikilika, Rajoelina Andry Nirina, kanefa, asa raha tena manao ny asany tokoa ny Birao Mahaleotena Miady amin’ny Kolikoly (BIANCO), fa vao tsy ampy iray volana aty aorian’ny nanaovany fianianana dia nisy mpikambana mavitrika tao amin’ny tambazotrany nandritra ny tetezamita no voasambotra sahady. Ny tena mahavariana anefa dia ilay fihetsika sy fomba nataon’ny mpisambotra olona (sarontava, sns…) tamin’ny tetezamita no miverina indray ankehitriny. Na eo aza izany dia mandeha koa ny resaka fa ho samborina ny vadin’ny filohan’ny Repoblika IV teo aloha. Betsaka tokoa ny fanehoan-kevitra momba azy satria toa izy mihitsy no lehiben’ny tambazotra ka mibaiko sady tsy refesi-mandidy mihitsy nandritra ny dimy taona voalohan’ny Repoblika IV ary azo heverina fa izany laza ratsy izany no anton’ny tsy naha-lany an-dRajaonarimampianina Hery niatrika ny fihodinana faharoa tamin’ny fifidianana filohan’ny repoblika farany teo.

Na izany na tsy izany dia fifandonan’ny tambazotran’ny mpanao ratsy (Mafià) izao mitranga eto Madagasikara izao ka ny irariana dia tsy ny Malagasy indray no hifika ny taolambe tsy mitapaka na hiantefan’ny bala very. Manomboka mifamono mantsy nakehitriny ireo Mafià eto Madagasikara, ny andramena na bois de rose aloha izao no hita fa iantombohan’izany fifamonoana izany, amin’ny fanombohan’ny fifampisamborana.