Tsy afaka amin’ny herisetra manjo azy ny vahoaka

Sôh’son

Maro no sahiran-tsaina amin’ny ho lalan-kizoran’ity firenena ity sy ny hiafaràny. Tsy mahasakana izay fisavorovoron-tsaim-bahoaka izany ny fihetsika tanterahin’ny mpitondra tato anatin’ny andro vitsy izao tamin’ny fametrahana azy tamin’ny fomba ara-dalàna. Na dia izany fotsiny aza hoe “fomba ara-dalàna” kanefa ny zavatra hitan’ny besinimaro mahatonga azy ho eo amin’izao toerana izao toa tsy mifanaraka amin’izany loatra. Fitenin’ny Ntaolo Malagasy izay feno fahendrena dia hoe “ Ny fandio iray siny tsy mahaleo ny fandoto iray tandroka”. Nitranga teto amin’ny fiainam-pirenena anefa izany “fandoto” izany ary tsy afaka ao an-tsaim-bahoaka. Tena mpitondra sy manam-pahefana mahay raha mahafaka izany ao an-tsainy, fa hitoetra ho tantara ho lovain’ny taranaka fara aman-dimby ny nitranga tamin’ny fifidianana filoham-pirenena teo iny. Ny voan-tsaramaso, ohatra, tsy hamoaka voana voanjobory; ny hafafy ihany no hojinjaina, izay ny lalàna natao ho an’ny zanak’olombelona.

Mety hisy ve ny fahagagana hiseho eto amin’ny firenena? Tsy misy afa-tsy ny antsasaky ny mpifidy nandatsa-bato no nifidy an’i Andry Rajoelina. Raha refesina amin’ny tokony hifidy manontolo indray ireo dia zara raha mahazo ny 1/5 ny mpifidy. Ary raha raisina amin’ny isan’ny vahoaka Malagasy manontolo dia eo amin’ny 1/10 eo, ary esorina ao anatin’izany ireo tsy feno taona mety manohana azy. Ny mahavariana eto amin’ity firenena ity, dia ambara sy voizina hatrany ny toy izany fa hoe “filoha voafidim-bahoaka”, “ny vahoaka Malagasy no nifidy azy”, sns… Midika tsotra izao ho fanaovana fitenenana amboletra izany. Herisetra mbola atao amin’ny vahoaka izany, na dia tsy mivantana sy tsy hita mivaingana aza. Ny fanaovana amboletra amin’ny teny ampidirina ao an-tsain’ny vahoaka dia herisetra na hetraketraka ihany koa izany. Voizina hatrany ny teny hoe “demôkrasia” rehefa amin’ny tranga metimety amin’ny mpitondra, kanefa hita fa mifono jadona izany. Tsy afaka hifampitaha amin’ny fahendrena fitondrana fanjakana tany aloha tany teto amin’ny firenena manaja ny “teny midina ifampierana, teny miakatra ifampifehezana”. Miana-kendry ho mahavita tsara lavitra noho izany ny mpitondra amin’izao fotoana izao. Sarotra inoana ny hahatanteraka izany, raha ireo toe-javatra noresahana eo ambony vitsivitsy ireo. Ny olona manohitra izany fiheverana izany dia tsy manam-pahalalana sy traikefa amin’ity firenena ity sy ny vahoaka Malagasy.