13:00 > Miara-miampita – Voka-pifidianana – HCC Ambohidahy – Vaovao farany

Efa tapaka tamin’ iray ora folakandro ny lalana manodidina ny HCC eo Ambohidahy. Feno mpitandro filaminana ny manodidina. Ary eo amin’ny 2000 eo ho eo izy ireo no miparitaka eran’ny renivohitra.

Ireo manana fanasàna ihany no afaka miditra ao an-toerana hanatrika ny fanambaràna ny vokatra ofisialy.

Ny mpanao gazety dia tsy maintsy mitondra ny karatra fanamarinana.

Hadiny iray sy sasany sisa dia higadona ny famoahan’ny Fitsaràna Avo momba ny Lalampanorenana ny lalàna tsy azo ivalozana vokatry ny fihodinana faharoa amin’ny fifidianana ny filohan’ny repoblikan’i Madagasikara.