10:50 > May kila ny ny biraon’ny gazety Triatra, Akon’i Madagasikara, LaChasse-Info, 24h Mada

May kila forehitra ny Birao misy ny RLM COMMUNICATION eto Ankorondrano.

Nanomboka tamin’ny 2 ora teo no nitrangany firehetana. Tamin’ny 4 ora izao vao voafehy ny afo.

Handeha ny fanadihadiana raha vokatra ny olana teo amin’ny herinaratra na vokatry ny asa ratsy.

Hihezaka araka ny azo atao ny tale Mbola Rajaonah hamerina haingana ny fahafahan’ireo mpiasa an-gazety hanohy ny asany.