15:30 > Kianjan’ny 13 Mey – Vaovao farany (39) – Mpitolona voasambotra – Aiza ny ministra TIM?

Mpitolona tsotra tanampolo no nosamborin’ny mpitandro filaminana omaly teo amin’ny kianjan’ny 13 Mey. Misy ny mbola voatazona ao Fiadanana amin’izao fotoana izao.

Maro ireo olona nandray fitenenana teo amin’ny kianjan’ny 13 Mey androany, izay mangataka ny famoahana azy ireo tsy misy hatakandro ary tsy misy fepetra.

Raha ny vaovao azo farany dia vesarina heloka tsy nataony izy ireo ary ho ampakarina fampanoavana rahampitso. Atao daholo izay handrahonana sy hanakiviana ny mpitolona.

Manoloana izao toe-javatra izao dia misy ny fitakiana atao amin’ireo ministra TIM ao amin’ny governemanta hitady mpisolo vava ho azy ireo ary koa hitsangana sy hiloa-bava. Ny fahanginany ankehitriny dia rasin’ny mpitolona ho firaisana tsikombakomba.