18:30 > K25 La Réunion – Fifidianana – Fanambaràna

Izahay K25 avy aty La Réunion dia manao izao fanambarana manaraka izao:

Manameloka tanteraka ny halabato goavana nataon’ny kandida N13 teto amin’ny firenena nandritra ny fihodinana faha 2 iny ka nahatonga izao savorovoro izao. Hamafisinay etoana fa tsy manaiky ny valim-pifidianana tsy marina sy nitongilana navoakan’ny CENI izahay.

Noho izany, dia manohana ny hetsiky ny vahoaka Malagasy mitaky ny fahamarinana etsy amin’ny kianjan’ny 13 MAI izahay, ary tonga mihintsy eto an-tanindrazana manatevin-daharana izao hetsika am-pilaminana izao.

Ny mampalahelo anefa dia voasakan’ny herim-pamoretana ny Malagasy tanampolo mitaky ny fahamarinana. Voahitsakitsaka ny zo fototra maneho hevitra fa mitady hanjaka ny herin’ny vola.

Eto dia mitodika manokana amin’ny HCC izahay mba hijoro hampanjaka ny fahamarinana eto amin’ny firenena, ka hamoaka didy tsy VOAVIDIM-BOLA mba tsy hiverenan’ny krizy lava reny intsony izay efa niharetan’ny vahoaka nandritra 5 taona. Ny olona nanao hosoka sy nangalatra dia tokony hampiharina aminy ny lalàna.

Eto am-pamaranana dia manohana tanteraka ny hivoahan’ny fahamarinana izahay avy aty dilambato , ary hitaky ny zonay ahafahanay mifidy amin’ny fifidianana rehetra misy eto amin’ny firenena.

Masina ny tanindrazana.