18:30 > CENI – K25 – Fampitahàna PV – Analamahitsy – Ohatra nahitàna famadihana vokabato an’ny 25 lasa an’ny 13

Manao asa fampitahàna ny PV eny amin’ny CENI ny K25.

Ohatra iray nahitàna famadihana ny voka-pifidianana tao biraom-pifidianana EPP Analamahitsy laharana-111101120105.

Nampifamadihana ny vokatra azon’ny kandidà laharana-13 sy laharana-25, ka nanjary resy Dada, 47,54% ary Rajoelina nanjary nahazo 52,46%.

Noho izany ilaina tokoa ny fandraisan’ny olom-pirenena rehetra andraikitra eo amin’ny fanamarinana ny voka-pifidianana. Mila “fanampiana” ny CENI mba hialàna amin’ny fahadisoana “tsy nahy” mety niseho teo amin’ny fikirakiràna vokatra.

Raha nialokaloka teo ambanin’ny lalàna foana mantsy ny CENI ka nanankina ny andraikitra tamin’ny HCC, dia navaliny ity farany fa mahazo mandray ny andraikitra feno ny CENI amin’ny fanomezana fahafaham-po ny vahoaka eo amin’ny fampitahàna ny voka-pifidianana ho antoky ny fangaraharàna sy filaminana eto amin’ny firenena.

Na dia efa eo aza ny ekipan’ny K25 manatanteraka ny asa fampitahàna ny voka-pifidianana eny amin’ny CENI, dia ilaina foana araky ny hafatra napetrak’i Marc Ravalomanana ny hijoroan’ny olom-pirenena rehetra, hiaro ny safidiny ka hitsangana ho vavolombelona amin’izay hosoka na tranga tsy ara-dalàna nitranga taloha, na nandritra, na izao aorian’ny fifidianana izao.

Raha ny fandisoana ny vokatra toy izao nitranga tao amin’ny EPP Analamahitsy izao fotsiny no resahina ankoatran’ny tetika hafa izay re eny amin’ny haino aman-jery dia mbola mety ho maro tokoa ny hafa mandehandeha any.

Afaka manatanteraka izany ny tsirairay amin’ny fitarafana ny vokatra ao amin’ny tranonkalan’ny CENI amin’ny alalan’ity rohy ity: https://presidentielle.ceni-madagascar.mg/bvres. Fanazavana misimisy eto amin’ity rohy ity http://bit.ly/2EILVDg