CENI – Ireo dingana manaraka ny faandatsaham-bato

Ankoatra ireo efa nanentanana antsika momba ny zo sy ny adidin’ny olompirenena ao anatin’ny fifidianana dia tena zavadehibe indrindra ny FIANDRASANA AM-PITONIANA NY VOKA-PIFIDIANANA avoakan’ny CENI sy ny HCC.

Manana 5 andro ny sampana mpanisa vato eny anivon’ny distrika na ny SRMV aorian’ny androm-pifidianana hanatanterahany ny asany. Manana 7 andro aorian’izay kosa ny CENI ary ny 01 janoary farafahatarany no tokony hamoahany ny voka-pifidianana vonjimaika araka ny lalàna mifehy ny fifidianana. 9 andro kosa no ananan’ny HCC hamoahana ny voka-pifidianana ofisialy.

#hifidy_ho_an_i_madagasikara_aho
#andrasako_am_pitoniana_ny_voka_pifidianana