15 Desambra – Antsirabe – Marc Ravalomanana – Mamaky ny fanambarana ataon’ireo sidikan’ny Administrateurs Civils

Hitandrovana ny hasin’ny safindimbahoaka ary hisoroahana izay mety ho korontana ateraky ny fifidianana, izahay sindika’ny administrateurs civils eto Madagasikara dia manao izao fanambarana izao:

An’ny manankery, indrindra ireo rafitra izay mandray anjara amin’ny fikarakarana ny fifidianana izay ho filohan’ny repoblikan’i Madagasikara, mba hanohy sy hijoro hatramin’ny farany ny fangaraharàna sy fahamarinana.

Mankahery manokana ireo solontenam-panjakana toy ny préfet de police, ny préfet ary ny chef district sy ny delege ary ireo mpiara-miasa amin’izay tsy mitandro hasasarana mandray ny andraikiny amin’ny fanaovana tantsoroka amin’ny fikarakaràna ny fifidianana.

Mananentana azy ireo hijoro hatramin’ny farany amin’izao fihodinana faharoa izao ka tsy hitanila na amin’iza na amin’iza.

“Obligation de neutralité”, izay no tadiavina. Tsy hanaiky izay mety ho tsindry politika na avy aiza na avy aiza no iaviany, ary tsy hanatanteraka ireo baiko hita miharihary fa tsy ara-dalàna.