23:20 > Ady hevitra Ravalomanana sy Rajoelina Alahady 16 Desambra – Fandaminana

Ho fanatsarana ny adihevitra ifanatrehan’ny kandida ny Alahady 16 desambra ho avy izao, nisy ny fivoriana niarahan’ny CENI tamin’ny ORTM sy ny mpanentana ny fandaharana, ny Solontenan’ny kandida roa tonta, ary ireo solontenan’ny fiarahamonimpirenena. Nifanarahan’ny rehetra nandritra izany ireto teboka manaraka ireto :

– Manomboka amin’ny 8 ora alina ny adihevitra, mivantana amin’ny TVM sy RNM

– Tsy misy mahazo mitondra na inona na inona (na tahirinkevitra taratasy na tahirinkevitra elektronika) fa tanam-polo ny kandida roa tonta, saingy manana zo hangataka amin’ny CENI taratasy fotsy sy penina raha toa ka ilainy izany.

– Noferana ho 27 isa ny mpomba ny kandida tsirairay avy, afaka hanatrika mivantana ny adihevitra.

– Ireto avy ireo lohahevitra horesahina : Tetikasa sy vinam-piarahamonin’ny kandida, Lafiny politika (firafitry ny governemanta, fampiharana ny fahefana, ny îles éparses, ady amin’ny fahantrana, ady amin’ny kolikoly, fampihavanam-pirenena, ny tsy fampifangaroana ny ara-pivavahana sy ny ara-pitantanam-panjakana), Lafiny ara-toekarena (politikam-pitantanam-bola, fananan-tany, fambolena sy fiompiana, fampananana asa), Lafiny sosialy sy fiarahamonina (fanabeazana, miralenta, ny fanambadian’ny lahy sy ny vavy, fiahiana aratsosialy, fahasalamana, rano fisotro madio), Lafiny kolotsaina sy fanatanjahantena, Lafiny ara-tserasera sy fizaram-baovao (média).

– Ny laharana faha 13 no miteny voalohany ary ny laharana faha 25 no mamarana ny fitenenanana, mifamadika amin’izay nitranga tamin’ny adihevitra voalohany.