Manifesto – Fitsinjaram-pahefana

Ny Filoha Ravalomanana dia hametraka fitsinjaram-pahefana tena izy ka ho olomboafidy daholo no hitantana ny fokontany, ny kaominina, sy ny faritra.

Miainga avy eny ifotony ny fampandrosoana ka tsy maintsy henoina ny vahoaka. Hisy ny loambary andasy hifampidinihana momba ny resaka fandriam-pahalemana, ny toekarena, ny fahasalamam-bahoaka, sy ny fotodrafitr’asa rehetra eo anivon’ny fokontany ka hampidirina ao anatin’ny rafi-panjakana ny vahoaka.

Ny fokontany, ny kaominina sy ny faritra no ahazo tombotsoa voalohany amin’ny harena vokariny.

Aza misalasala intsony. Fidio Marc Ravalomanana, laharana 25
#Manifesto
#Marina
#AlefaDada