10:30 > Marc Ravalomanana – Mitohy ny fitsidihana ifotony sy ny fanentanana hifidy

Ny mpanarina, manarina foana. Aratsiana vao maika mitombo tarehy. Lazaina fa manavakavaka nefa dia vao vita ny fifanandrinana tamin’ny mpanongana sy mpandrava dia efa am-perinasa i Dada mitsidika eto Andavamamba izao maraina izao, manohy ny fitsidihana ifotony sy fanentanana hifidy ny laharana 25, Marc Ravalomana amin’ny 19 Desambra 2018 ho avy izao.