Fampandaniana ny N°25 – Mada-Iradio – Miara-dia amin’i Dada ny mpanakanto Gothlieb

Isambilo

Fantatra fa miara-dia amin’ny kandidà Marc Ravalomanana ny mpanakanto Gothlieb na Randriamasinoro Herinaivo. Nanohana ny foto-kevitr’i Dada izy tamin’ny fandaharana: “Don-tany sy Kapo-tandroka” tao amin’ny Mada-iRadio tany Paris. Nandray anjara tamin’ny ady hevitra i Gothlieb, mpanohana ny 25, niady hevitra tamin’i Solo N°13.

Nahafinaritra ny ady hevitra, nifanaja tsara ny mpifanandrina. Nahasolotena tsara ny K25 i Randriamasinoro Gothlieb Herinaivo, miaraka amin’ny fahaizany sy ny talenta fampihomehezana nahalalana azy, ary voafehiny ny resaka noresahana dia ny Manifesto indrindra indrindra na dia notsindriany tsara aza fa tsy afaka hipetraka eo amin’ny toeran’ny Kandida 25 akory izy, tsy nirahina ihany koa fa dia mijanona amin’ny maha-mpanohana fotsiny ihany.

Nanao azy dia nanao azy koa Ingahy Andrianasolo Ratsimbazafy nanohana ny Kandida 13. Niambakavaka ihany teo amin’ny firesaka nefa dia hita fa tena niomana koa anefa. Raha nanontaniana momba ny Velirano izy dia nihanona fotsiny tamin’ny famakiana izay voasoratra: izay tsy voavaky tsara aza moa fa mila solomaso angamba.