Marc Ravalomanana – Nanambara ny vokatra ofisialy tany Belambanana, Befandriana Avaratra, Mandritsara, Mampikony, Mahajanga

Nitsidika ny taty Bealanana, Befandriana Avaratra, Mandritsara, Mampikony ary Mahajanga aho raha nanambara ny vokatra ofisialy ny HCC io maraina io. Ekentsika izany ary roso ny diantsika amin’ny fiodinana faharoa amin’ny fifidianana filoham-pirenena.

Vonona hatrany aho, Marc Ravalomanana, kandida mitondra ny laharana faha-25 hiatrika izany, sady efa nametrahanareo fitokisana rahateo ary anankinanareo ny fanantenana hoavy tsara kokoa sy mendrika ny Malagasy sy ny zanantsika.

Mankasitraka anareo nifidy ahy tamin’ny fiodinana voalohany . Manainga ny tsy nifidy hifanome tanana amiko fa iray ny tanjona dia Madagasikara mandroso sy tsy menamitaha amin’ny firenena hafa. Mamporisika ihany koa ireo tsy nandeha nandrotsabato mihitsy tamin’ny 7 novambra mba hanefa ny adidinareo amin’ny firenena. An’ny Malagasy rehetra i Madagasikara koa aza misalasala akory amin’ny 19 desambra hitondra sy hametraka fiovana.

Isika rehetra izao no hifarimbona, hiombona, hanangana firenena vanona.
Zontsika izany, adidintsika, ary hoataontsika miaraka.

Ny miara-miasa no fahombiazana.