06:00 > Tanjombato – Kara-panondro zato mahery ambany tetezana

Kara-panondro sy fahazoan-dalana mamily 106 no hita teo ambanin’ny tetezan’i Tanjombato ny Talata 13 Novambra.

Raha ny filazan’ny manodidina dia efa tamin’ny Alahady no nisy  nahatsikaritra izy ireo fa tsy nisy sahy nikasika.

Nosokajian’ireo nanatri-maso fa nentina nanaovana hosoka tamin’ny fifidianana teo ireto taratasy ireto.

Misy milaza koa fa olona mpikirakira rano tao an-tampon-tanànan’i Tanjombato tao dia nizara vola tamin’iny fotoam-pifidianana iny hatakalo finandaniana amina kandidà.

Tonga teny an-toerana moa ny mpitandro filaminana ary mitohy ny fanadihadiana.