11:00 > Fifidianana – Mihisatra ny famoahan-bokatra avy amin’ny CENI

Mihisitra ny famoaham-bokatra tsy ofisialy eo anivon’ny CENI. Ny andro anefa mandeha ary misy ny tetiandro izay efa napetraka hamoahan’ny CENI ny voka-pifidianana tsy ofisialy, ny faha-20 Novambra fara-fahatarany ary 9 andro aoriana no amoahan’ny HCC ny vokatra ofisialy.

Amin’izao fotoana izao anefa dia vokatra avy amin’ny 7%-n’ny biraom-pifidianana raha 24.852 ny isan’izy ireo. Ka ho tratra ve ny tetitandro efa napetraka?
Nanome fanazavana ny CENI fa manomboka izao dia ho haingankaingana ny fahazoana ny vokatra koa dia miandry, miandry, miandry…