18:00 > QG KMMR – Fanambarana momba ny fitondran-tena mihao-pefy ataona kandidà

Manao fanambarana ny talen’ny fampielezan-kevitry ny KMMR avy ao amin’ny QG Bel-Air mikasika kandidà amin’ny fifidianana ho filohan’ny repoblika kanefa manao fitondran-tena mihao-pefy.

Misy kandida mitonon-tena ho mpandresy any amin’ny haino aman-jery any, ka eo anoloan’izany toe-javatra izany dia mampahatsiaro ny KMMR fa tsy raharahana jiolahim-boto ny fifidianana filoham-pirenena.

Nandritra ny androm-pifidianana dia maro ny tranga hafahafa:
urne feno tany Marovoay
urne hangalarina olona manao fanamiana miaramila nefa tsy miaramila tao Sabotsy Namehana
– misy andiana tompon’andraikitra mitondra badge CENI miaraka amin’ny tompon’andraiki-panjakana mihaodihaody eran’ny tanàna mandresy lahatra ny olona tsy hifidy.

Tsy maotina izany fitondran-tena izany ary manakaiky fomban’olona tsy mendrika hitantana fanjakana.

Ny KMMR dia manana ny fomba moderne rehetra hahafahana milaza ny voka-pifidianana amin’ny fotoana ilàna izany.

Ankehitriny dia efa eny amin’ny KMMR ny 70%’n’ny voka-pifidianana ary manana elikoptera hanangonana ireo PV. Kanefa manaja ny lalàna ny KMMR, ary miandry ny CENI hamoaka amin’ny fomba ofisialy ireo voka-pifidianana.

Ary ny governemanta sy ny CENI dia tokony maka fepetra faran’izay henjana hanasaziana ny kandidà izay mandika lalàna toy izany. Efa be loatra izay fandeferana nataon’ny kandià Marc Ravalomanana izay: lisitra tsy manjary, anaran’ny mpitolona tao amin’ny KMMR nesorina tamin’ny lisi-pifidianana araka ny baiko nomena tany amin’ny ambaratongam-pahefana rehetra tany, ny tanora 18 taona noraisina toy ny andian-jiolahy ka tsy mahazo mifidy…

Misy fetrany ihany ny fanaovana fandefarana. Manambara Atoa Rabenja Sehenoarisoa, fa ny vahoaka malagasy dia tsy manaiky intsony ny fomba tsy mendrika hanatanterahina izao fifidanana izao.