Alatsinainy 5 Novambra – Fanambaran’i Serge Zafimahova, mpandrindra ankapobe KMMR

Nanao fanambarana ny mpandrindra ankapoben’ny KMMR Serge Zafimahova omaly 5 Novambra, mikasika ny tetikasan’i Marc Ravalomanana amin’ny fampihavanam-pirenena, ny lalampanorenana sy ny fitsinjaram-pahefana.

Rehefa lany ny filoha Ravalomanana dia manao fianianana izy ny 25 Janoary 2019, hoy izy. Dimy volana aorian’izay dia ho voriana eran’ny fokontany ny vahoaka ao anaty dinidinika antsoina hoe lohabary andasy. Hisy fehin-kevitra dimy ho dinihina ao anaty Sabotsy dimy tapakandro misesy. Mety ho andro hafa koa anefa araka izay mampety azy. Ny votoatiny dia ny fiainam-pirenena sy fiainan’ny tsirairay eny an-toerana.
Hitohy izany avy eo amin’ny fifidianana filoham-pokontany miaraka amin’ny filoha lefitra. Ireto voafidy ireto indray dia hifampifidy eo anivon’ny distrika ka hanendry solon-tena roa izay handrafitra ny Filankevitra Nasionalin’ny Fampihavanam-pirenena na ny Conseil National de Reconciliation (CNR), izay nimatimatesan’itompokolahy Albert Zafy.

Ny FFKM no ho iangavian’ny filoham-pirenena, Marc Ravalomanana, handray an-tanana ny raharaha rehetra mandra-pijoron’ny CNR. Ka androany 6 novambra no ho atao izany fiangaviana izany.

Ho rafitra mahefa mandidy manapaka ny CNR. Handroso lalam-panorenana efatra izy io ho ananan’ny vahoaka safidy. Ny mpomba ny filoha Marc Ravalomanana dia hanana ny lalam-panorenana ho safidiany mazava. Ao anatin’izay ny fitsinjaram-pahefana tena izy. Ohatra efa nahazatra ny fisian’ny Filankevitry ny Governemanta sy ny Filankevitry ny Minisitra izay mahefa eo amin’ny fitantanam-bola, fa amin’ny rafitra vaovao dia hisy ny rafitra ambony indrindra mandidy manapaka izay hitambaran’ny Filankevitry ny Minisitra sy ny Filankevitry ny Filoham-Paritra. Hivory indroa isan-taona izy io ary mety haharitra efatra andro any ny fivoriana satria faritra 22 no ho dinihina.

Raha eo 3% hatramin’ny 5% ny tetiboka sahanin’ny fanjakana ankehitriny dia 25% no tanjona ho enjehina anaty telo taona.

Izay no niantsoan’i Serge Zafimahova ireo namana rehetra manerana an’i Madagasikara, indrindra ireo izay nankato ny filoha Albert Zafy, hifidy an’i Marc Ravalomanana, laharana 25, izay vonona hitondra am-panetrehan-tena ny fandaharan’asa izay nirin’ny filoha Albert Zafy.