15:30 > Misy manentana ireo efa very fanantenana – Dada ihany, laharana 25, Marc Ravalomanana

Very fanantenana tokoa ny olona tamin’ny nafitsok’ireto mpanongam-panjakana sy ireo niray petsapetsa aminy, ary mbola mitohy àry izany amin’izao fotoana izao. Na ny fitondran-dRajoelina na ny fitondran-dRajaonarimampianina dia meloka amin’izao naha-latsak’ambany ny zo tsotra maha-olombelona.

Raha hifidy ity ramatoa ity dia ny baka zoridira no fidiny satria io no mamahana ny ankohonany.

Raha efa nitombo ny harin-karenan’ny Malagasy tamin’ny taona 2009 dia nitrotrongana izaitsizy ankehitriny. Ny fanohizan’i Dada ny asa efa natombony ihany no vaha-olana haingana. Voarakitra ao amin’ny MANIFESTO izany, izay velirano sy fanamby ataon’ny kandida laharana faha-25, Marc Ravalomananana amin’ny vahoaka Malagasy.

Mila mahay misafidy amin’ny Alarobia 7 Novambra 2018, andro lehibe kihon-dalan’i Madagasikara eo amin’ny tantara.