23:00 > Ilakaka – Alakamisy 1 Nov – Fernand Cello, mpandrindra ny KMMR Ilakaka – Feno hafaliana ny mponina nitsena azy

Tamin’ny fo feno hafaliana ny mponina no nitsena an’i Fernand Cello, izay mpilaza vaovaon’ny Radio Jupiter.

Tsy hadinon’ny mponina ilay sahy nijoro niaro azy.

Rehefa avy nitafa tamin’ny vahoaka tao Ilakaka Ville izy dia nihazo avy hatrany ny fokontanin’i Bepeha, 8km miala eo, izay mbola ao amin’ny kaominin’Andohan’Ilakaka.

Roa taona tsy nanitsaka ny faritr’Ihorombe izy noho ny fomba fijery ary hevitra tsy nitovy tamin’ireo olon’ny fitondràna any an-toerana. Teo ny andro hanginana, ary tonga izao ny andro hitenenana, hoy izy.

Handresy lahatra ny vahoaka amin’ny lalana tokony hizorany amin’izao zava-misy eto amin’ny firenena izao no ho ataony ezaka mafy.

Hitondra ny anjara birikiny izy, hiaraka amin’ireo olona tia tanindrazana hanangana firenena vanona amin’nt fampandaniana ny kandida laharana-25, Marc Ravalomanana.