Ambohimandry – 31 Okt – Fidio ny kandidà 25, Marc Ravalomanana

Eto Ambohimandry no tanindrazan’ny vadiko, Ramatoa Lalao Ravalomanana, tonga eto izahay mianankavy hanao fampielezan-kevitra, handresy lahatra anareo HIFIDY ahy amin’ny 07 novambra 2018, laharana faha 25.

“Amboarina indray ny lalantsika”

Tonga hanome fanome fanantenana anareo aho androany.
Amboarina ny lalana eto Ambohimandry, amboarina ny Tanana eto, amboarina ny tsena.
Haverina ny Fandriam-pahalemana eto Madagasikara. Harovana ny olona sy ny fanany : ny tranony, ny taniny.
Hatsangana ny fitsarana tena marina, miaro ny vahoaka, homena fitaovana ny mpitandro filaminana.
Hiantohana ny fitsaboana, horaisin’i dada an-tanana ny fitsaboana ny Malagasy, omena sakafo mba ho salama.
Omena “kits scolaires” sy “cantine scolaire” ary aron’akanjo mitovy ny mpianatra, omena ordinatera entin-tanana ny Tanora mba ahafahana manome fanofanana arak’asa azy.
Fa izao FIDIO I DADA !

#fidio_Marc_Ravalomanana_25