Marolambo – 27 Okt – Fidio ny kandidà 25, Marc Ravalomanana

Teto Marolambo no nanombohana ny propagandy androany.
Tena tsara ny tanananareo eto Marolambo.
Rehefa lany i dada dia amboarintsika ny lalana Marolambo makany Mahanoro, Marolambo mankany Anosibe An’ala. Mijaly loatra ianareo eto.

Ahita zavatra mbola tsy fahita ianareo eto androany, nentiko ny zanako vavimatoa, hanome fanomezana hoan’ny zaza izy dia ny kits scolaires, fanomezana hoan’ ny vehivavy ho fampiofanana arak’asa dia misy tablety(…)

Ireto isan’ireo vina ho tanterahina ao anatin’ny “manifesto” sy ny “Map2” :
Hamboarina ny lalana, haverina sy halamina ny fandriam-pahalemana, Hiantohana ny fahasalamana, hampidirina an-tsekoly ny mpianatra sy ny ankizy mirenireny,
hampitomboina ny fidiram-bola amin’ny fananganana orinasa madinika sy salan-tsalany , hatsangana ny foto-drafitr’asa toy ny tetezana, toha-drano, omena rano fisotro madio ny mponina, hampiana ny mpampoly sy mpiompy, haverina ny fitokisan’ny vahoaka amin’ny mpitondra, omendanja ny soatoavina Malagasy.