Tanambe – 24 Okt – Fidio ny kandidà 25, Marc Ravalomanana

Ity ny fitsidahana voalohany ataoko aty amin’ny faritra Alaotra-Mangoro amin’izao fampielezan-kevitra izao.
Fantatro ny mahazo anareo eto, tena mijaly amin’ny tsy fandriam-pahalemana, mikaikaika amin’ny rano, ratsy ny lalana mankaty aminareo. Efa manana paik’ady momba izany aho.
Ny antony mampondroso ny firenena dia antony roa ihany. Voalohany, afaka mivezivezy ny mponina amin’ny alalan’ny lalana, dia afaka mivezivezy koa ny varotra, noho izany dia amboarina indray ny lalana eto Madagasikara. Amboarintsika ny lalana eto Tanambe, ny lalana RN44 tsy mety vita io dia tsy maintsy amboarin’I dada. Faharoa dia ny fanajana ny fitsipika, fanajana ny lalana, fanajana lalam-panorenana.
Haintsika ny mampandroso ny firenena, FIDIO ny laharana faha-25.
#FIDIO_MR_25