Ihorombe – Manomboka ny hala-bato – Karapanondro sandoka 600 ao anaty lisi-pifidianana

HALA-BATO GOAVANA AMIN’NY FIFIDIANANA FILOHAM-PIRENENA HO AVY IZAO: EFA VITA TOKOA VE NY FIFIDIANANA FA LATSA-BATO SISA HATAO? ~ Kara-panondro sandoka 600 isa izay efa tafiditra ao anaty lisi-pifidianana no sarona tao Ihorombe. Kara-panondro sandoka firy izany no efa vonona manerana an’i Madagasikara? Iza no tompon’andraikitra?

Manao “antso avo” ho an’ireo kandidà hirotsaka ho filohan’ny Repoblika Atoa Fernand Cello (Journaliste d’investigation) araka izao manaraka izao:

“HO AN’IREO KANDIDA HILATSAKA FILOHAM-PIRENENA, ARAHO AKAIKY FA ZAVATRA TENA MISY ARY MARINA. EFA TAMIN’NY TAONA 2015 NO efa NISY KARAPANONDRO 2018 (Jereo ny sary porofo)

Azo inoana ve fa tsy hisy hosoka ny fifidianana ao Ihorombé, noho ny fiparitahan’ireo karapanondro sandoka 600 isa tao amin’ny kaominina iray, izay tafiditra ao anatin’ny « Liste Electorale » ny polisy tao Ranohira no nanao ny famotorana ireo olon’ny HVM tamin’ny taona 2O15.

TSARA HO MARIHINA FA NISY FITORIANA NAPETRAKA TENY AMIN’NY FITSARANA TAO IHOSY; Fa saingy TSY NISY TOHINY ARY NA FANENJEHANA ARA PITSARANA AZA TSY NATAO AKORY. NY DOSSIER RAHA TEO MBOLA AO AMIN’NY FAMPANOAVANA HATRAMIN’IZAO”

(FB Madagasikara Malalako)