Namangy ny teto Ikongo aho androany, tsindrian-daona ianareo maika hifidy an’i dada. Izao no hafatra : entano ny havana sy ny mpiara-monina, tapaka sy namana HIFIDY fa efa io aho. 25 no laharana hoe !
#FIDIO_MR_25
FETIN’NY RENY
Ao anaty tokantrano izay deraina ho tsara endrika,
Ao no ahitana RENY, miavaka sy tena mendrika.
Tsy mitandro ny hasasarany fa maneho fahavononana,
Ary izy no fanilo manazava ny ankohonana.
Na mitambatra ny rahona na mirotsaka ny orana,
Na tsaroana ho malama izany lalana hizorana,
Dia ny RENY tena mendrika no mijoro ho mpampahery,
Ka mitraka ny ankohonana fa tsy avelany ho irery!
‘Ndeha tolorana arahaba fa dia mbola notahiana,
Ianareo rehetra RENY, dia ireo faka nitsiriana.
Na ny ando avy an-danitra na ny tsiron’ito tany,
Irariana mba hanjohy sy hanaraka anareo hatrany!
DADAN’i ZINA (04-06-23)
www.gvalosoa.net/2023/06/06/fetinny-reny/ ... TohinyFintinina
1 andro lasa
6 Jona – Taratasin’ny mpamaky
Taratasy ampitaina amin’ny gazety, sy amin’ny mpitondra mahefa izao fitarainana izao.
Manoloana ny FIHETSIKA MAMOAFADY nataon’ny député Paul Bert teto Port-berge ny 02/06/23,izay nandrodana ny tranoko izay hita @ sary io. Maneho ny alaheloko zaho satria tany titré borné, (complet taratasy jiaby manamarina izany), tsy misy idiran’ny tanin’ny résidence, fa ny ahy madiodio. Ary nahazoako alalana t@ Ben’ny tanàna ny fanorenana ny trano.
Tena manao tany tsy tan-dalàna io député io, satria maro be ny hetraketraka izay ataony fa jerem-potsiny, amin’ny President ny Groupe Parlementaire IRD azy angamba. Ka mba manaitra anareo fitondram-panjakana, Atoa Filoha, Praiministre, Présidente Assemblée sy ny Ministre de la Justice, mba hijery akaiky toe-javatra ity.
Olivier Rabeamina
Port-Bergé, Région Sofia
www.gvalosoa.net/2023/06/06/6-jona-taratasinny-mpamaky/ ... TohinyFintinina
1 andro lasa
Kongresim-paritra – Tsy nitsanga-menatra, naneho firaisankina ny TIM Boeny
Isambilo
Tontosa soa amantsara ny sabotsy teo, tao amin’ny Lycée FJKM Ziona Vaovao Mahajanga, ny kongresim-paritry ny TIM Boeny. Fahombiazana tanteraka izany, na teo aza ny sakana tamin’ny fahatongavan’ny filoha Marc Ravalomanana tany an-toerana ny alakamisy teo, nisian’ny lakrimôzena nipoaka nalefan’ireo herim-pamoretan’ny fitondrana. Feno hipoka ny tao an-trano, maro koa ireo tao ivelany tamin’io fotoana io, fa tsy tafiditra.
Tsy nitsanga-menatra i Mahajanga ary naneho firaisankina tanteraka izy ireo, niara-nientana tamin’izany koa ny mpitarika nahitana an’Andriamatoa isany Ravokatra, Sidy, Achim Kely, Joachim, ny senatera teo aloha Jeanson Ratiarinaivo,… Nahatonga solontena avokoa ireo distrika 6 mandrafitra ny faritra Boeny dia Mahajanga I sy II, Mitsinjo, Soalala, Marovoay, Ambato Boeny. Tonga tany an-toerana koa ny avy any Betsiboka toy ny avy any Kandreho, sy ny solontena avy any Sofia.
Niatrika izany tany an-toerana ny Filoha Marc Ravalomanana, filoha nasionalin’ny antoko TIM, notronin’ny birao politika, nahitana ny sekretera jeneraly Rina Randriamasinoro sy ny mpandrindra nasionaly Jean Claude Rakotonirina, ireo depiote voafidy amin’ny antoko, notarihan’ny filohan’ny vondrona Parlemantera TIM : Fetra Ralambozafimbololona, nahitana ny depiote isany Ramboasalama Emilien, Feno Ralambomanana, Todisoa Andriamampandry, ny depiote Rastany, ny olom-boafidy TIM : Collectif des Elus notarihan’ny filohany Christiana Andrianjafy,…
Nambaran’ny filoha Ravalomanana tamin’io fotoana io fa : « henoko ary hitako ny fijaliana manjo anareo amin’ny lalana ratsy, ny tsy fandriampahalemana, ny delestazy, fiainana tsy sahaza ny maha olona,… hiray hina isika hanarina izany. Tsy mihemotra intsony isika. Manaja ny lalàna isika fa tsy manaiky verezin-jo. Mila FIFIDIANANA ny Malagasy rehetra. Aok’izay, hajao ny LALAM-PANORENANA. Leo Jadona, leo herim-pamoretana, leo tampenam-bava ny vahoaka, » hoy izy. Any Manakara sy Farafangana ary Mananjary indray, ny kongresim-paritra manaraky ny antoko TIM amin’ny faran’ity herinandro ity.
www.gvalosoa.net/2023/06/06/kongresim-paritra-tsy-nitsanga-menatra-naneho-firaisankina-ny-tim-boeny/ ... TohinyFintinina
1 andro lasa
Miala Rajoelina – Ela namitahana ka mamita-tena ny farany
Andry Tsiavalona
Ela namitahana nandritra izay 4 taona izay, ka mamita-tena amin’izao fotoana ny filoha Rajoelina sy ireo mpanara-dia azy, raha ny zava-nisy tany Maroantsetra sy Mananara Avaratra faritra Analanjirofo ny faran’ny herinandro teo no halalinina sy hadihadiana. Ny vahoaka tonga niatrika azy nandritra izany dia tsy fitiavana an-dRajoelina loatra, fa hijery fampisehoana an-tsehatra nataon’ireo tarika kalaza any an-toerana no nahatonga azy ireo tao an-kianja, sy noho ny tombola natao. Efa leo izao fitondrana izao ny mponina any amin’iny faritra avaratra sy avaratra atsinanan’i Madagasikara iny amin’izao fotoana noho ny fitotongan’ny vidin’ny lavanila, ka zara aza misy lanonana sy tombola bôjo ka dia tonga ny olona, fa tsy noho i Rajoelina velively, izay fantatr’izy ireo ihany koa fa tsy maintsy hiala afaka 95 manomboka androany, izany hoe : J- 95.
Ankoatra izany, mitohy tsy misy fitsaharana ny filàna sotasota ataon’izao fitondrana Rajoelina izao amin’ireo olompirenena heveriny fa: manelingelina azy eo amin’ny ezaka ataony, mba hangalany ny fon’ny vahoaka indray, sy manozongozona ny sezany ary mampihetry ny lazany eo amin’ny sehatry ny fitantanana ny raharaham-pirenena. Efa betsaka ny nosamborina ireo mpampaneno lakolosy fanairana hanitsiana ny làlan-kizorana tsy mitondra any amin’ny fampandrosoana, eo koa ireo nogadraina ka namoronana antontan-taratasy nanendrikendrehina azy ireny ho nampikomy vahoaka ary tsy azo adidnoina ireo mpanao gazety sahy namotsipotsitra ny kolikoly sy ny fanondranana harem-pirenena an-tsokosoko ary ny hadalàna ataon’ny mpitondra. Mtohy ihany koa ny sakantsakanana ireo mikasa haneho hevitra fanairana ny mponina amin’ny tsy fisian’ny fandriampahalemana sy ny fahatapahan-jiro tsy misy fiafarany. Ny tena loza amin’izao vanim-potoana fanomanana fifidianana izao dia tsy avela hihetsika sy hanentana ny mpiray firenena hanamarina ny anarana ao anaty lisitry ny mpifidy, ka sakanana etsy sy eroa ary ampiasaina ny zandary indrindra indrindra hanatanteraka baiko amin’izany. Vao ny herinandro teo, no nanao hetsika ny vadin’i Mahery Lanto Manandafy (Malama): Doris Rakoto Samuel, sy ny Gasy Leo nentiny naneho ny alahelony manoloana ny fahantrana mianjady amin’ny mpiray firenena izao. Tena naneho fitiavan-tanindrazana sy fitiavana ny mpiarabelona tokoa ny tenin’ity vehivavy ity hoe « aleoko maty toy izay mahita ny Fireneko mandady ». Efa nampitahorin’ny zandary nosamborina moa izy, fa ny filohan’ny Gasy Leo no nentina an-kerisetra teny Fiadanana. Araka ny vaovao farany omaly anefa, fantatra fa nosamborina vao maraina tao an-tranony i Doris. Tsy misy afaka mikimpy manoloana izao fahantrana mianjady amin’ny Malagasy, ny tsy fandriampahalemana sy ny fanitsakitsahana ny lalàna, indrindra ny Lalàm-panorenana, ataon’ny mpitondra ary ny tsy famelana ny antoko politika sy fiarahamonim-pirenena haneho hevitra izao.
Niaraha-nahita ny vaovao nanakanana ny Filoha Ravalomanana Marc tany Analavory ary nanipazana baomba manempotra izy tamin’izany. Iaraha-mahatadidy ny nanaovan’ny fitondrana tetezamita ny Profesora Zafy Albert teny Anosy, ka nanimpazan’ny herim-pamoretana baomba mandatsa-dranomaso ihany koa tamin’izany fotoana izao. Namerina ny hadalàna tamin’ny filoha Ravalomanana Marc indray ny fitondrana, ka nanakana azy raha nandeha hihazo an’i Mahajanga izy. Matoa nampiseho ny tsy fanekeny lembenanana tahaka iireny ny vahoaka tany an-toerana dia tokony efa hitsara tena Rajoelina Andry sy ny mpiaradia aminy, satria tsy mitovy tokoa ny mponina any Mahajanga sy ny any amin’ny Faritra hafa eo amin’ny fihetsehampo ary fanehoan’ny vahoaka any ny fitiavany an-dRavalomanana Marc ireny fihetsiny ireny. Nisy ihany ireo sakantsakana nataon’ny mpitondra tamin’ny solombavambahoaka voafidy tao Toliara I tany Mananjary, sy ny vava navoakan’ny vehivavy solombavambaoaka voafidy tao Antsiranana I nihantsy adim-poko tany Antalaha. Marina fa niala tsiny noho ny teny tsy voalanjalanja nataony ity solombavambahoaka ity kanefa amin’ny toe-javatra toy izao dia tsy mitombona ilay filazana fa “mora manadino ny vahoaka Malagasy”.
Tsy tokony hadinon’izao fitondrana izao fa ny fampiasan-kery, ny fampiasana ny fitsarana ho fitaovana hamoretana ny tsy manan-tsiny, ny fanomezana baiko ny mpiaro ny vahoaka sy ny fananany kanefa mamoritra azy, ny tsy firaharahiana ny fahantran’ny vahoaka, ny fanakanana ny olompirenena tsy haneho hevitra malalaka, ny famotehana ny firenena eo amin’ny sehatra rehetra, ny fangalarana ny harem-pirenena, sns…dia porofo fa malemy tsy manan-kery ary tsy mahita làlan-kizorana intsony izao fitondrana izao, ka manao tsipaky ny miala aina. Araka izany dia tokony hanova fihetsika sy paikady entina miady ny fitondrana Rajoelina Andry, satria izay ataony rehetra dia mibirioka any amin’ny tsy alehany ary mifanohitra amin’ny tanjona kendreny hatrany no miseho. Hafa ny anio sy ny omaly ka tsy rehefa lazaina fa tompondaka amin’izao sehatra rehetra izao ny tena dia hitehaka ny vahoaka, manaporofo izany ny tsikera mahavaivay asetrin’ny vahoaka an’izany. Mamita-tena tokoa Rajoelina fa hoe tian’ny vahoaka izy amin’ny maha-champion azy, ny mifanohitra amin’izany no misy, satria efa fantatry ny maro ny maha-Rainilainga na Champion ny mpandainga azy, ka izay ela namitahana tokoa dia tenany no fitahiny ankehitriny.
www.gvalosoa.net/2023/06/06/miala-rajoelina-ela-namitahana-ka-mamita-tena-ny-farany/ ... TohinyFintinina
1 andro lasa
EDITO 6 Jona – Misy kisarontsarona hatrany ny resa-bolamena
Sôh’son
Anisan’ny mahabe resaka eto amin’ny firenena sy ato anatin’izao fitondrana izao ny momba ny resaka volamena. Na io ny fitrandrahana azy any ifotony amin’ny toerana samihafa eto amin’ny Nosy, na ny fivarotana azy, indrindra ireo aman-kilao maro niondrana antsokosoko teto amin’ny firenena tao anatin’izay taona vitsivitsy izay. Nambara tamin’ireny, fa misokatra ny fanadihadiana, dia avy eo tsy re intsony ny tohiny sy ny niafaràny. Anisan’izany ilay volamena sarona tao Afrika Atsimo sy nogiazin’ny fitondrana tao mandraka ankehitriny. Toy izany koa ireo tratra tany amin’ireo nosy hafa manodidina. Misy harem-pirenena toa zary verivery fahatany eto amin’ity firenena ity, ary ny fitondrana mpitsabaka amin’ny raharaham-pitsarana indraindray na matetika tsy andrenesam-peo ny momba ireny raharaha fanondranana an-tsokosoko volamena ireny. Tsy fanta-bahoaka ny antony mazava momba ireny harenany norobaina an-tsokosoko ireny, satria atao tompon-trano mihono mandrakariva izy.
Fa anisan’ny raharaha iray misarika ny sain’ny mpanara-baovao ihany koa raha ity resaka volamena ity ny fizotry ny asa natao tamin’ny volamena malagasy nalefa tany Soisa fa hoe hodiovina. Aiza ho aiza ny niafaràn’ny raharaha? Sa efa tafaverina eto ireo volamena ireo ary nahazoan’ny firenena Malagasy tombony. Natao fanambarana lehibe mihitsy mantsy tany am-piandohana nataon’ny tomponandraikitra ny amin’ny tsy maintsy handefasana ireo volamena voaangona tao amin’ny Banky Foiben’i Madagasikara any amin’ity firenena eoropeanina ity. Hatreto aloha tsy re ny niafaràn’ny asa natao na efa vita na tsia. Maninona no tsy atao toy ny tany am-boalohany izay ny fikarakarana natao? Toe-javatra iray anisan’ny mampitombo ny elanelana sy tsy fifampitokisana eo amin’ny mpitondra sy ny vahoaka ny fikobokobonina raharaha mila hazavaina amin’ny vahoaka toy izany.
www.gvalosoa.net/2023/06/06/edito-6-jona-misy-kisarontsarona-hatrany-ny-resa-bolamena/ ... TohinyFintinina
1 andro lasa
Vidio ny gazetintsika NY VALOSOA VAOVAO androany Talata 6 Jona 2023.
Ho hitanao anaty tranonkala :
- ny lahatsoratra: www.gvalosoa.com na www.gvalosoa.net
-ny serasera FB Valosoa: gvalosoa.net/FB-Valosoa
- ny tahirin-gazety: gvalosoa.net/tahiry/
- ny fikarohana lahatsoratra: gvalosoa.net/?s= ... TohinyFintinina
1 andro lasa
05/06/2023- Rtoa Doris Samuel Rakoto (tohiny). ... TohinyFintinina
2 andro lasa
Ny ekipan’ny Ny Valosoa Vaovao dia faly miarahaba ny Reny rehetra tratry ny fety. Mirary andro fifaliana! ... TohinyFintinina
3 andro lasa
03/06/2023- MAHAJANGA ... TohinyFintinina
4 andro lasa
03/06/2023-MAHAJANGA ... TohinyFintinina
4 andro lasa
03/06/2023- MAHAJANGA ... TohinyFintinina
4 andro lasa
Comment on Facebook Ce problème vient ...
Mirary soa anareo eh , homba anareo mandrakariva Andriamanitra
Ary to vitsy olo be e,
TONGA NY ORA !
Hatrany an-tranon’ny mpitondra no efa idiran-jiolahy,
Ka tena mampihoron-koditra ary efa mampanahy,
Satria tsy misy filaminana azo heverina intsony,
Fa dahalo no manjaka sy manao ny sitrapony.
Efa tena tsy mba tsaho na hoe karazana honohono,
Tsy mba vitan’ny mangalatra izy ireo fa dia mamono.
Manam-basy sy fiadiana tena hita ho arifomba,
Ary tsy olonolom-poana ireo mpiray tsikombakomba!
Noho izany tranga izany, mahatsiaro ny olo-maro
Fa tsy manana mpiahy sy tsy mba manana mpiaro.
Na an-tsaha na an-tanàna dia misentosento lalina,
Fa dahalo no manjaka na ny antoandro na ny alina!
…Iza no hanopy maso ka hanala ny mangidiny,
Fa tsy te hahalala izany iretsy olo-nofinidiny?
Tena hoe fotoana izao handavana ireo asa maizina:
Ireo mpitondra tsy mahomby, ireo no tena mila faizina.
Mivondròna handray adidy, ‘ndao hiatri-pifidianana,
Ary hiaraka manonja sady hifanolo-tanana,
Handresena ireo dahalo sy mpitondra tsisy hapoaka,
Sy ho porofo f’efa tofoka sy leo azy ny vahoaka!
TSIMIMALO (26-05-23)
www.gvalosoa.net/2023/06/03/tonga-ny-ora-4/ ... TohinyFintinina
5 andro lasa
Kongresim-paritry ny TIM Boeny – Sabotsy indray mifankahita any Mahajanga
Isambilo
Ho tanterahana ny sabotsy izao any Mahajanga ny kongresim-paritry ny antoko TIM any amin’ny faritra Boeny. Sabotsy indray izany mifankahita any an-drenivohitra Boeny, taorian’ny kongresim-paritr’ity antoko ity tany Analavory faritra Itasy. Hikarakara izao Kongresy ny Tim Mahajanga izao ary efa vonona amin’izany ireo birao comité ad’hoc, vonona koa ireo tanora Tim Mahajanga, ny vehivavy Tim amin’ny faritra Boeny. Hanotrona ny hetsika koa ny RMDM Mahajanga.
Ny sabotsy 3 jona 2023 izao no hatao io hetsika io, hanomboka amin’ny 3 ora tolakandro, ao amin’ny Lycée Fjkm Ziona Vaovao Mahajanga. Teny filamatr’izy ireo koa ny hoe: sahia minoa, mijoroa, aza matoritory hoy izy ireo fa efa antsika lay tour. Hanatrika izany koa ny solontena avy amin’ny antoko, avy amin’ireo distrika mandrafitra ny faritra Boeny dia: Mahajanga I sy faha-II, Mitsinjo, Soalala, Marovoay, ary Ambato Boeny.
www.gvalosoa.net/2023/06/03/kongresim-paritry-ny-tim-boeny-sabotsy-indray-mifankahita-any-mahajanga/ ... TohinyFintinina
5 andro lasa
Analavory Itasy – Ny 1 jolay ho avy izao ny kongresy nasionalin’ny antoko TIM eto Antananarivo – Tsy mampihemotra azy ny lakrimôzena sy ny herim-pamoretana
Isambilo
Tsy nampihemotra ny Filoha Marc Ravalomanana sy ny antoko TIM, ny lakrimôzena sy ny herisetra nataon’ny mpitandro filaminana sasany tamin’izy ireo, ny talata lasa teo tany Analavory distrikan’i Miarinarivo faritr’Itasy.
Toy ny fanaony niantsena tao amin’ny tsenan’Analavory aloha i Dada sy ireo mpanara-dia azy, nialohan’ny nanatrehany ny kongresim-paritry ny TIM, tao amin’ny Espace Mangabe tany an-toerana. Nandritra ny nandehanany dia an-tongotra tao an-tsena, no nirefotra ny lakrimôzena sy nahitana ny herisetra nataon’ireo mpitandro filamkinana sasany. Tsy nampihemotra ny filoha nasionalin’ny TIM sy ireo mpiara-dia aminy ary ny vahoaka anefa izany. Fa vakin’izy ireo ny sakana nataon’ireo zandary, ka tonga soa aman-tsara tany amin’ny toerana nanaovana ny kongresy ihany ny rehetra.
Niara-dia tamin’i Dada nandritra izany ny avy amin’ny birao politika, nahitana ny sekretera jeneraly Rina Randriamasinoro, Jean Claude Rakotonirina ary Julien Andriamorasata, ireo depiote 9 mirahalahy avy amin’ny antoko nahitana ny depiote isany Fetra Ralambozafimbololona, Ramboasalama Emilien, Mamy Rabenirina, Alain Ratsimbazafy, Feno Ralambomanana, Gerry Randriambolaina, Jose Randrianantenaina, Michel Ambalavato ary ny depiote Rodin Rakotomanjato. Teo koa ireo ben’ny tanàna avy ao Antananarivo Atsimondrano toa an-dry Rado Ramparaoelina, Mihary Andriantsilavo,… ny ben’ny tanànan’Ambohitrabiby Pasitera Lazasoa. Ireo mpanolotsainan’ny tanàna TIM notarihan’ny filohan’ny Collectif des Elus Christian Andrianjafy ary ireo mpitarika ny antoko ao amin’ny faritra Itasy.
Nambaran’ny solontenan’ny TIM Itasy fa: ”na inona na inona sakana, efa lasan’i Dada ny fonay aty amin’ny faritra Itasy”. Nanambara kosa i Dada fa: tsy maintsy mihaona amin’ny Olom-pirenena eto Analavory aho androany. Tsy mihemotra amin’izay endrika herim-pamoretana isika. Aok’izay ny fampijaliana ny Malagasy, ny fanitsakitsahana ny Zo aman-kasina maha olona. Leo Jadona, leo herim-pamoretana, leo tampenam-bava ny vahoaka. Ny mampalahelo sy mahasosotra dia izao; ireo sasany mahatsapa ny fahorian’ny tenany, tsy mihinan-kanina fa lanin’ny olona ny indemnité-any, mamela anay mandeha, tena midera sy mankasitraka azy ireny izahay, fa olona vitsy anie sisa ireo tena mibahambahana ireo e!”
Fantatra nandritra izany ihany koa, fa kongresim-paritra miisa 12 no efa vitan’ny antoko TIM, raha tsy misy ny fiovana dia ny 1 jolay ho avy izao, no ho tanterahana eto Antananarivo ny kongresy nasionalin’ny antoko Tiako i Madagasikara.
www.gvalosoa.net/2023/06/03/analavory-itasy-ny-1-jolay-ho-avy-izao-ny-kongresy-nasionalinny-antok... ... TohinyFintinina
5 andro lasa
Miala Rajoelina – 100 andro sisa, mihazakazaka ny fotoana
Helisoa
Mihazakazaka ny fotoana, 100 andro androany sisa dia tokony hametra-pialana amin’ny maha-filoha azy ny filoha Andry Rajoelina. Izany hoe, eo amin’ny 3 volana mahery kely eo sisa dia hiala eo amin’ny fitondràna ny filoha mitantana ny firenena ankehitriny Andry Rajoelina. Manoloana izany, indrindra raha ny zavatra hita dia toa mamofom-pofona korontana no hita eto amin’ny firenena. Nisy ny kongresim-paritry ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM) tany amin’ny faritra Itasy natao tao Analavory ny talata lasa teo. Tsy misy inona antony inona loatra, fa dia filohampirenena teo aloha manana ny sata manokana, no nokendrena tamin’ny baomba mandatsa-dranomaso raha niditra tao anaty tsena hividy zavatra dia ny filoha Marc Ravalomanana izany.
Raha ny zavatra niseho tany antoerana dia nosakanana tsy avela hiantsena ity farany, fa hoe misy baiko hono araka ny nambaran’ny mpitandro filaminana azon’izy ireo, fa tsy mahazo mandeha lalankafa fa avy hatrany dia miditra ao anatin’ny toerana hanaovana ny kongresy. Tsy nahasakana ny filoha Marc Ravalomanana anefa izany, fa avy hatrany izy dia niditra ho any antsena. Avy hatrany, hery famoretana no natao tamin’ity filoha, izay efa ray amandreny nitantana sy nahavita be teto amin’ny firenena ity.
Faharoa manaraka izany, nitaona olona hidina eny amin’ny Kianjan’ny 13 Mey omaly, ny vadin’i Mahery Lanto Manandafy, sy ireo andian’olona nanaraka azy tamin’izany. Miaramila, zandary ary polisy marobe miaraka amin’ny fitaovam-piadiana anefa no narentirenty teny amin’ny 13 Mey, izay mihoatra lavitra be noho ireo andian’olona hita teny antoerana. Dia eo no mampieritreritra ny olom-pirenena hoe fanjakàna inona no misy eto? Milaza fa mamim-bahoaka nefa toa zavatra bitika dia ampiasaina ireo herim-pamoretana?
Ny filoha Marc Ravalomanana dia efa nanambara ombieny ombieny, fa tsy avy aminy no hisian’ny korontana eto amin’ny firenena. Voafehiko hoy izy ny antoko Tiako i Madagasikara sy ny RMDM miaraka amiko. Fifidianana izao no mahamaika anay hoy izy, hialàna amin’ity fahantrana lalina mahazo ny vahoaka Malagasy ankehitriny ity. Eo ihany koa ny tsy fanajàna ny zon’olombelona izay efa tsy hita pesimpesenina no miseho ankehitriny.
Ka eo no mahalasa saina ny maro hoe: sao tsy vonona hanao fifidianana aza ity fitondràna ity, ka mitady korontana hisian’ny tetezamita eto amin’ny firenena? Maro ny olona ampiasaina hoy ny hafa mba hampisavorovoro ny saina; ka eo no ilaina fandinihana lalina satria ny ratsy tsy kely lalana. Ny fifidianana ihany no hahafahana mamaha olana haingana ny firenena latsaka an-katerena izao, sy ny fanilihana ireo mpitondra tsy mahomby, mpampijaly vahoaka ankehitriny ireo.
www.gvalosoa.net/2023/06/03/miala-rajoelina-100-andro-sisa-mihazakazaka-ny-fotoana/ ... TohinyFintinina
5 andro lasa
EDITO 1 Jona – Miendrika fanesoana ny vahoaka hatrany no mitranga
Sôh’son
Miditra ny volana jona sahady isika ity, mihazakazaka ny andro sy ny volana. Mifanohitra amin’izay anefa raha ny lafiny fampandrosoana ny firenena sy ny fihatsaran’ny fiainam-bahoaka. Mihemotra mihitsy aza amin’ny ankapobeny, raha tsy hilaza fotsiny, ohatra, ny lafiny fampianarana indrindra ao anatin’izao fidirana amin’ny fotoam-panadinana izao.
Tsy mbola nisy sy fahita tao anatin’ireo fitondrana nifandimby tamin’ity fitondrana Rajoelina ity, raha tsy tamin’izao fitondrany izao, ny fampivesarana ny mpianatra ny vola tsy maintsy aloa amin’ny fanadinam-panjakana Cepe sy indrindra ny Bepc sy ny kojakoja ilaina ampisaina any amin’ny fanadinana. Anisan’izany, ohatra, ny fanerena ny ray aman-dreny hanome kahie ho an’ny fanjakana tomponandraikitry ny fanadinana atao vakiraoka. Mbola niseho indray koa izany fitakiana izany ao anatin’izao fotoam-panadinana andrana na “examen blanc” amin’ny Bepc izao.
Santionany iray kely izany fa miseho ny tarehin-javatra maro samihafa amin’ny toe-javatra tsy tokony hisy raha nirehaka ho babany indrindra miohatra amin’ny fitondrana rehetra teo alohany izao fitondrana Rajoelina izao. Hatrany amin’ny tobim-pahasalamana fototra avy aza no misy pitsopitsony itakiana vola amin’ny marary na ny fianakavian’ny marary, toy ny fonon-tanana ho an’ny mpiteraka, sns. Azo adika tsotra izao ny zava-misy ataon’izao fitondrana Rajoelina izao: ny tokonana aza tsy afaka ka ny rindrina no ianaran-kendry hanihana. Hadalana tsotra izao izany ary tena midika ho tsy fahaizan-javatra. Indraindray aza ny mitranga toa zary fanesoana ny vahoaka malagasy mihitsy, satria atao daholo izao fihetsiketsehana isehosehoana eto an-toerana na any ivelany rehetra izao.
Toa ataon’ireo olona eo amin’ny fitondrana, ny filohan’ny Repoblika sy ny ministra eo ambany fiadidiany ny mifofotra mitady amboara na loka, toy ny any ivelany, amin’ny zavatra izay lazaina ho tena nisy fivoarany teto amin’ny firenena noho ny asa nataon’izy ireo, kanefa tsy izany loatra no iainam-bahoaka. Misy mihitsy ny olom-pirenena mpamakafaka no milaza ny heviny momba izany, fa resaka amboamboarina izany, ary miendrika “amboara bôjy” zarazaraina fahatany, tsy mifandraika amin’ny iainan’ny vahoaka malagasy, indrindra ny sarambabem-bahoaka miady mafy andro aman’alina amin’izay hahavelona azy sisa. Maha menatra raha ianao ery, any ivelany io, mihareha amin’ny voninahitra ho toy ny môdely amin’ny fampandrosoana, kanefa ny vahoaka entinao faraidiny amin’ny samy vahoaka maneran-tany. Mahalalà menatra, fa ny lany henatra no ratsy indrindra, mahakizo fara ny firenena sy ny taranaka fara aman-dimby izany.
www.gvalosoa.net/2023/06/03/edito-1-jona-miendrika-fanesoana-ny-vahoaka-hatrany-no-mitranga/ ... TohinyFintinina
5 andro lasa
Vidio ny gazetintsika NY VALOSOA VAOVAO androany Alakamisy 1 Jona 2023.
Ho hitanao anaty tranonkala :
- ny lahatsoratra: www.gvalosoa.com na www.gvalosoa.net
-ny serasera FB Valosoa: gvalosoa.net/FB-Valosoa
- ny tahirin-gazety: gvalosoa.net/tahiry/
- ny fikarohana lahatsoratra: gvalosoa.net/?s= ... TohinyFintinina
5 andro lasa
01/06/2023-MAHAJANGA. Tena efa lasa adala mihitsy ianareo ao @ fitondrana ao. Vahoaka ve no iadivanareo? Leo anareo ny vahoaka! ... TohinyFintinina
6 andro lasa
Comment on Facebook Ce problème vient ...
Na ny tsy mpomba an-dra8 aza lasa mpomba ho azy amin'ny hakelezan-dohan-drajoelina! Loza!
01/06/2023- MAHAJANGA. Filoha Marc Ravalomanana ... TohinyFintinina
6 andro lasa
01/06/2023- MAHAJANGA. Filoha Marc Ravalomanana ... TohinyFintinina
6 andro lasa
31/05/2023- KIANJAN’NY 13 Mai. ... TohinyFintinina
1 herinandro lasa
Comment on Facebook 1764140243706142_727709756021359
Tsis client wa!
31/05/2023. ANALAKELY ... TohinyFintinina
1 herinandro lasa
30/05/2023 Filoha Marc Ravalomanana. ... TohinyFintinina
1 herinandro lasa
30/05/2023. ANALAVORY-Filoha Marc Ravalomanana. ... TohinyFintinina
1 herinandro lasa
Comment on Facebook 30/05/2023. ...
Mahereza daholo e
Amen a
Milay foana isika e
Yes dada
ARABAINA E E!
TIM FOREVER ISIKA E !!! 102 ANDRO SISA...
👏👏👏 ato ny vidéo fb.watch/kSVOcE7kd-/
30/05/2023. ANALAVORY- Filoha Marc Ravalomanana. ... TohinyFintinina
1 herinandro lasa
30/05/2023. Filoha Marc Ravalomanana. Aok’izay! Aok’izay! ... TohinyFintinina
1 herinandro lasa
30/05/2023. ANALAVORY. Filoha Marc Ravalomanana (tohiny). ... TohinyFintinina
1 herinandro lasa
30/05/2023. Filoha Marc Ravalomanana (tohiny) ... TohinyFintinina
1 herinandro lasa
30/05/2023. Filoha Marc Ravalomanana. ... TohinyFintinina
1 herinandro lasa
Dia mbola ho ampiana "fahefana mora" indray koa ve?… hambotry vahoaka sy handroba harem-pirenena mandritra ny dimy taona indray?… fampiesonana hanafenana ny ratsy atao no betsaka!
102 andro sisa ho an’ilay adala lahy!
(Sary Tia Tanindrazana) ... TohinyFintinina
1 herinandro lasa
Comment on Facebook Dia mbola ho ampiana...
Kkkkk hoy ramora favori= vetivety aho dia hita !