Ranopiso – 15 Okt – Fidio ny kandidà 25, Marc Ravalomanana

Teto amin’ny kaominina Ranopiso no namaranana ny fampielezan-kevitra androany. Hitako ny tsiky sy haravoana nasehonareo, manana fanantenana isika fa handresy. Voasoritra ao anatin’ny fanamby sy fanomezan-toky “manifesto” izay voarakitra anatin’ny drafitra MAP 2 dia “amboarina indray ny lalantsika” eran’ny Madagasikara. Hangana indray foto-drafitr’asa isika izay isaky ny faritra mba hampiroboroboana ny fampandrosoana maharitra ary hanamafisana ny firaisam-pirenena : lalana, fitaterana, angovo, fifandraisan-davitra, rano sy fidiovana, tohadrano, trano fonenana sy fotodrafitr’asa isan-karazany.
FIDIO MARC RAVALOMANANA 25.