Alarobia 17 Oktobra – Kianjan’i Mahamasina – 8 ora maraina – “Marche citoyenne” karakarain’ny FANOA

Hanatanteraka kongresy ny 16 sy 17 Oktobra hanentanana ny tanora hanara-maso ny fiainam-pirenena. Manomana diabe ny tetikasa FANOA (Fifidianana Andraisan’Ny Olompirenena Andraikitra) ny 17 Oktobra amin’ny 8 ora maraina manoloana ny kianjan’i Mahamasina ary hizotra mankany Mahamasina sy Anosy dia miverina eo Mahamasina ihany.
Tsy liana sy miraviravi-tanana ny tanora eo amin’ny sehatra politika sy ny fanaraha-maso ny fiainam-pirenena. Anton’izany ny tsy fanomezana sehatra ho azy ireo fa eo ihany koa ny fandraisan’izy ireo fa maloto ny tontolo politika eto amintsika. Tanora 2000 manerana ny faritra 22 no mandray anjara amin’ny fihaonambe nasionaly sy diabe ho fandraisana andraikitra amin’ny fifidianana. Ny tanjona amin’izany dia ny fandraisan’ny tanora anjara amin’ny fifidianana sy fitarihana azy ireo hiatrika ny fifidianana.