Kandidà Ravalomanana N°25 sy ny KMMR – Efa an’aliny ireo olona nandrotsaka fanampiana

Isambilo

Notokanana ny sabotsy teo, tetsy Bel’Air Ampandrana ny foiben-toerana na ny QG ny kandidà Marc Ravalomanana laharana faha-25 ao amin’ny biletà tokana, sy ny KMMR na ny Komity Manohana an’i Marc Ravalomanana. Trano lehibe vao naorina misy rihana 4 ity QG ny kandidà Marc Ravalomanana sy ny mpanohana azy ity. Nambarany tamin’izany fa nohon’ny fahamaroan’ireo olona milaza hanohana azy amin’ny fifidianana no nahatonga ny fanokafana ilay kaonty amin’ny banky BOA sy Mvola. Efa mahatratra an’aliny ireo nanohina ny antso tamin’izany hatreto hoy izy, ka ny maro tamin’ireo nandrotsaka vola fanampiana dia 20 000 Ariary sy 10 000 Ariary, izay efa nankasitrahan’ny kandidà sy ny KMMR sahady. Mbola misokatra amin’ny antoko politika, ny fikambanana samihafa ary ny olon-drehetra tsy ankanavaka ny fanohanana ny kandidà laharana faha-25, hoy i Dada. Ankoatra izany, ilaina hatrany ny fiaraha-miasa amin’ny mpamatsy vola mahazatra hoy ny kandidà laharana faha-25, Marc Ravalomanana. Lasa any ivelany ny sabotsy hariva teo izy, lasa any Bruxelles any Belgique sy any Paris renivohitra Frantsay.Tao aorian’ny fitokanana ny foiben-toerana, QG ny KMMR na ny Komity Manohana an’i Marc Ravalomanana teny Bel’Air Ampandrana tokoa dia lasa nihazo an’i Bruxelles sy Paris ny kandidà laharana faha-25. Any Bruxelles Belgique dia hisy ny fihaonany amin’ny tompon’andraikitry ny Vondrona Eropeana ny alarobia ho avy izao. Any Paris, hisy ny fihaonana hiarahany amin’ireo teratany Malagasy mipetraka any dilambato na ny diaspora momba ny resakamahakasika ny fifidianana filohampirenena hatao eto amintsika.