20:30 > Vohémar – Sambo Lumila – Hamoaka andramena indray ve?

Fotoan’ny fanovàna izao. Fotoan’ny ady matanjaka amin’ny kolikoly sy ny fanampara-pahefana.
Tamin’ny volana Febroary 2017 no nanondrana andramena antsokosoko ny sambo Lumila. Nosakanan’ny sefo distrikan’i Vohémar ny fihazonana ny sambo hahafahana manao fisavàna. Tratra ihany anefa ny fanafenana ny andramena tao ambanin’ny sira aman-taoniny. Ary tsy nisy ny fitsaràna nampanantenain’ny praiminisitra Mahafaly hatramin’izao.
Ankehitriny dia mihamaro ny andrimaso sy manaparitaka ny zavamisy amin’ny alalan’ny serasera raha vao misy fiahiana.
Ny fiverenan’ity sambo Lumila ity dia mampiahiahy indray ireo andriamaso.
Ilaina ny olompirenena mailo sy saro-piaro amin’ny firenena.

(L’Express)