CENI – Fampielezan-kevitra – Ankitsapaka, kandidà sy haino aman-jerim-panjakana – Ao ny sandrin’ny 25 hilaza azy

Natao ny fisintonana ankitsapaka hahafahan’ny kandidà amin’ny fifidianana filohan’ny Repoblika 2018, mandalo ao amin’ny haino aman-jerim-panjakana RNM/TVM amin’ny fomba tsy handoavam-bola. Tao amin’ny biraon’ny CENI tao Nanisana no nanantanterahana izany ny Alakamisy 20 Septambra.
Mitsinjara ho kandidà enina ao anaty andiany enina ireo kandidà miisa 36.
Tao anaty ny andiany enina farany, no ahitàna ny laharana 25 izay voasintona farany koa. Isan’ireo enina mirahalahy ao amin’io andiany io koa ilay nanongam-panjakana tamin’ny 2009.

CENI – Valin’ny ankitsapaka haino aman-jery