10:30 > Marc Ravalomanana – Isika mpanorina fa tsy mpandrava

Mpiara-miasa amiko hatramin’izay nareo eto Antsirabe.
Faritra manana ny mahaizy azy ity Vakinankaratra ity. Hita eto avokoa na fambolena, na fiompiana na orinasa isankarazany.
Tena miasa ny olona eto, ary mampiseho hatrany ny fahavononana na betsaka aza no sahirana.
Izay finiavana izay, ny fandraisan’anjaran’ny tsirairay, ny fandraisantsika andraikitra, ny fiarahantsika miasa, ny fifampatokisantsika mihamafy hatrany, izay no fahombiazantsika.
Tsimialonjafy isika, raisintsika ho namana avokoa izay manohana antsika sy miaraka manamboatra amintsika ny lalan’ny fampandrosoana.
Isika mpanorina fa tsy mpandrava.