FA TAIZA FOANA i SAKABE ?

Sakabe

FA TAIZA FOANA i SAKABE?

Hay teo foana i Sakabe nandritr’izay fotoana izay!
Dia mba nandini-tena ve no toa tsy henohenonay?
Nijerijery ny asa vita mba iarahana mitsara?
Ontsa anefa ireo mahita sakabe tsy valahara !

Hay teo foana i Sakabe nandritr’izay fotoana izay!
Kanefa indrisy toa tsy re, nimpirimpirina fa fay ?
Nafanafana angaha ny tolona ka nisinda kely aloha
Sa nahatsiaro ho menatra olona ka ‘zao vao tazana nifoha ?

Hay teo foana i Sakabe nandritr’izay fotoana izay?
Noheverinay fa maty anie kinanjo izao toa io indray?
Raha ao anaty fahanterana no “omeo, omeo” no tanisaina,
Aoka hasiana fiheverana f’efa ny “miverin-tsaina”.

Hay teo foana i Sakabe nandinika ‘zay hotohanana?
Dia nipoitra indray fa hoe antomotra ny fifidianana?
Mahonena, mahavàka ny misaina ny tantarany.
Izao ilay “mifanahin-tsaka”, “omeo omeo” hatramin’ny farany!

DADAN’i ZINA  (04-09-18)