21:30 > Marc Ravalomanana – Mahajanga – Eo ihany ny vahoaka na alina ny andro

Faly aho mihaona aminareo eto Mahajanga. Kandida ho filoham-pirenena ny tenako, kandidan’ny Malagasy rehetra. Manana ny fandaharanasa hampivoarana ny sehatra rehetra izay mipaka mivantana amin’ny vahoaka aho. Fa isika Malagasy no mpiaramiasa voalohany amin’ny fanatanterahana izany. Mila mifampatoky isika, ary mila sahy.