Kardinaly Tsarahazana – Tsy manohana kandida filohampirenena ny katolika

Helisoa

Namoaka fanambarana ny kardinaly Mgr Desiré Tsarahazana manoloana ny fifidianana izay hatao afaka volana vitsy eto
Madagasikara. Tsy manohana kandida ary tsy manana kandida ofisialy ho tohanana filohampirenena ny finoana Katolika araka ny nambaran’ity ray amandreny ara-panahy ity . Koa raha misy mampiasa ny sariny na ny anarany hanaovana fitaovana
fampielezan-kevitra dia tsy nahazo alalana tamin’ny Kardinaly Mgr Desiré Tsarahazana izany araka ny nambarany . Adidin’ny
Malagasy hoy izy no mijery ny olona hitany fa hitondra
fampandrosoana ny firenena sy hanasoa ny tanindrazana . Koa manainga ny vahoaka mba ho ao anaty fitoniana no hanaovana ny fifidianana eto Madagasikara hoy hatrany ny fanambarany .