07:00 > IANAO RY OLON’NY TETEZAMITA

IANAO RY OLON’NY TETEZAMITA

Ry olon’ny tetezamita, jiolahy eto an-tanàna,
Mieritreritra indray ny mbola handray ny fiaingàna.
Sao heverinao ‘zahay fa tena bado sy sanàna,
Ka hifidy anao indray mba ho filoham-panjakana?

Tsy ho diso fanindroany intsony ny safidinay.
Aleo ny ngidim-pahoriana hofaranana amin’izay,
Ka dia ny toa anao rehetra sy ny mpiara-miombon-day,
Dia tena hofaizinay tanteraka amin’ilay fotoana iray.

‘Zahay dia tsy matoky intsony ny olon’ny tetezamita.
Anananay raha ny porofo ny amin’izay rehetra vita.
Potika ny firenena, (na ny jamba aza mahita!)
Ry mpivaro-tanindrazana o!  mihevera mangovita!

Tsy ianao mpangalatra io sy tia mampiasa hafetsena,
No antenaina indray fa mbola hampandroso firenena.
Mahatsara anao ny miato sady mba mandini-tena.
Ibebaho ny ratsy vita fa izay no fahendrena.

DADAN`i ZINA (02-09-18)