11:00 > Morondava – Izay miresaka kandidà hafa ankoatr’i Andry Rajoelina eto, dia vitainay ny momba azy

Saory Julien

Tany Morondava aho tamin’ny herinandro lasa teo. Nisy olona iray avy ao amin’ny quartier Avaradrova miaro an-dRavalomanana.

Ao Morondava Ville dia misy depiote antsoina hoe Hawel Mamod’Ali sy ny chef de région ao, izay nanangana milisy par quartier. Ka milaza hoe izay miresaka kandidà hafa ankoatr’i Andry Rajoelina eto Morondava dia vitainay ny momba azy.

Ka io bandy atao hoe Christian io dia olon-dRavalomanana, mpiaro azy, hitan-dry zareo teny an-dalana, dia nokabokaboin’izy ireo  hoy ny fiteny any aminay any, novonovonoiny izany. Hospitalisé izy isika miresaka izao

Inona ny fifidianana hilamina amin’izany?

Ho terenao izany ilay olona satria ho avy any Andry Rajoelina ny 4 septambra izao (ndlr, androany),  dia amin’izay hirohatra ho any aminy daholo fa tsy homenao safidy mallalaka?

(TV PLUS – Emission Spéciale 30.08.2018 – Saory Julien – Timeline: 45:25)