14:30 > INDRENY ENY NY MALASO (I.E.M.)

INDRENY ENY NY MALASO

 

(I.E.M.)

 

Indreny Eny ny Malaso, izay no hevitra fonosiny.

Ny sinoa sy ny karana no efa hita ao an-damosiny.

Volabe no arangarangany ividianany olo-maro,

Koa mihevera, mitandrema, ny taranakao hafaro.

 

Indreny Eny ny Malaso, sanatria tsy sangisangy,

Saingy tsy hitondra intsony pilotra sy langilangy.

Fa mikendry seza mihaja, ary eo no hisonanina,

Dia hangalatra amim-pomba vaovao sy matihanina.

 

Indreny Eny ny Malaso ka andeha re hotoherina.

Ny mpanongam-panjakana no sakano tsy hiverina.

Aza atao ambanin-javatra ny miatri-pifidianana,

Eo ny ngidim-pijaliana no tsy maintsy hofaranana.

 

Indreny Eny ny Malaso, irony tahotrao ario,

Satria antsika ry vahoaka na ny ampitso na ny anio.

Eo am-pelatanantsika ny hoavy mahasambatra,

Koa tohero ny malaso, ny herintsika ‘ndeha hatambatra.

 

DADAN’i ZINA (15-08-18)