06:30 > Nosy Be – Fanatsarana ny voly fary – Ho mpanondrana siramamy fa tsy mpanafatra

CMCS sy ny CIRAD Hamokatra karazam-pary vaovao

Helisoa

Miasa avy hatrany ny tale jeneraly vaovao ao amin’ny ministeran’ny Indostria sy ny fampiroboroboana ny sehatra tsy miankina, Miharisoa Rakotomalala, eo anivon’ny CMCS izay rantsana eo anivon’ny ministeran’ny Indostria.

Andro vitsy nandraisany ity toerana ity, dia efa miroso amin’ny fijerena ifotony ireo toerana heverina fa afaka mamokatra fary eto Madagasikara izy ary eo ihany koa ny fiaraha-miasa amin’ireo mpamatsy vola vahiny izay afaka hanampy antsika amin’ny fanarenana ireny orinasa ireny.

Omaly, dia nandray ireo solontena avy amin’ny CIRAD vahiny avy any Montpellier ity tale jeneralin’ny CMCS ity. Voaresaka tamin’izany ny hisian’ny fitsidihana ireo toeram-pambolena fary ao Nosy-Be Hell-Ville. Ho jerena manokana amin’izany ny fambolena ireo zana-pary hafa karazana any amin’ireo toerana voatokana izay hoentin’izy ireo avy any ivelany.

Tanjona amin’izao fiaraha-miasan’ny CIRAD sy ny CMCS ao Nosy Be izao ny ho fanatsarana ny voly fary eto Madagasikara mba hahazoana vokatra tsara sy azo ahondrana mankany ivelany. Mbola hitohy ity fiaraha-miasan’ny roa tonta ity mandritra ny fanapariahana ity karazana fary vaovao ity manerana ireo faritra hanaovana ny fambolena azy io.

Ny tanjona, dia firenena mamokatra fary hahafahana manodina izany ho siramamy isika, ary ho mpanondrana fa tsy hanafatra siramamy lava izao, satria afaka ny hamokatra izany i Madagasikara hoy ity tale jeneraly eo anivon’ny CMCS ity.