Nihorin-koditra ny HVM – Tena tian’ny vahoakan’Alaotra Ravalo

Raoul

Vao nandalo fotsiny ny Filoha Ravalomanana Marc ny zoma teo dia efa nitsangam-bolo tsy nisy toa izany ny ekipan’ny HVM Alaotra.

Nirodorodo nanaradia an’i Dada avokoa ny vahoaka rehetra raha nahita azy nandeha nijery foara Tangorona. Vokany tsy nahita hatao ireto mpomba ny fitondran-dRajaonarimampianina ka dia ny nanao ny sakantsakana rehetra tsy ahafahan’ity farany mitafa amin’ny vahoaka no hany farahery izay tsy nahafaly ny vahoaka izay vory marobe tokoa na dia tsy nisy aza ny filazana mialoha fa ho avy i Dada.

Natao avokoa ny tetika rehetra tsy ahafahan-dRavalomanana Marc hitety ny tokontanin’ny foara iray manontolo saingy tsy nahasakana ireo vahoaka liana sy efa dodona ny hitafa taminy izany.

Azo hambara fa very lavitra mihitsy ny olona izay tonga nanaraka ireo manampahefana nitsidika ny tranoevan’ny Foara nandritra ny fitokanana ny sabotsy faha-28 jolay na dia nisy aza ny fanentanana izay nampiarahana tamin’ny artista tao amin’io kianja Rasolonjatovo io. Ity fitokanana ity izay ny Filohan’ny Antenimieran-doholona no nitarika izany.

Mbola noporofoin’ny vahoakan’ Alaotra nandritra iny fandalovan’ny Filoha Ravalomanana Marc iny ny fitiavan’izy ireo azy. Na ireo mpitondra vokatra avy any amin’ny kaominina sy ireo distrika aza faly tsy nisy toa izany raha nahita an’i Dada tonga nijery ny fampirantian’izy ireo.

Nifanotofana ihany koa ny tranoeva nisy ny fampirantiana ny vokatry ny orinasa TIKO tao anaty kianja Rasolonjatovo.

Tamin’ny ankapobeny, na dia teo aza ny antsojay isankarazany nentina nisakantsakanana ny fandalovan’ny Filoha Ravalomanana Marc dia nilamina tanteraka ny mpomba azy ary samy nahatsapa ny rehetra fa vahoaka manara-dalàna ary hendry ny Zanak’i Dada.