19:00 > Depiote 34 mandany ny LFR (Loi de Finances Rectificative), mitohy ny tolona sendikaly, eny amin’ny kianjan’ny 13 Mey rahampitso Sabotsy

Nandalo naka vaovao mikasika ny LFR tety amin’ny lapan’ny Antenimieram-pirenena ireo sendikalista. Noteren’izy ireo hifanatrika taminy ny praiministra Ntsay Christian raha handeha hamonjy ny famaranana ny fivoriana ara-potoana. Rehefa naharay ny tatitra avy amin’ireo députés TIM izy ireo ka nahalala fa solombavambahoaka 34 no nandany ny LFR dia nanapa-kevitra izy ireo fa mitohy ny tolona sendikaly. Tsy nisy hita taratra tao anatin’ity teti-bola nasiam-panitsiana ity rahateo ny famahana ny olan’izy ireo. Eny amin’ny 13 mai ny fotoana nifanomezan’izy ireo ho an’ny rahampitso sabotsy 30 jona ary ny Alatsinainy 2 jolay, ankoatran’ny tolona atrehin’ny sendika tsirairay, dia hisy solontena iraisan’izy ireo hihaona amin’ny praiministra eny Mahazoarivo

Nandalo naka vaovao mikasika ny LFR tety amin'ny lapan'ny Antenimieram-pirenena ireo sendikalista. Noteren'izy ireo…

Publiée par Daniel Rakotoarisoa sur Vendredi 29 juin 2018