08:50 > TIM fokontany Ambatomaro, boriboritany faha-V – Fetim-pirenena – Nizara fanomezana ho an’ny ankizy

 

Namalifaly ireo ankizy sy nizara fanomezana ho azy ireo ny antoko TIM ao amin’ny fokontany Ambatomaro boriboritany faha-V notarihin’i Ninà Rabetsialison, mpikambana ao amin’ny DISTIM sy ny FOKTIM ao an-toerana omaly 25 Jiona.

Tao anatin’izny no nanolotana vary, arendrina, bonbon’ biscuit, kilalao, sns ho an’ireo ankizy.