27 Jona – Taratasin’ny mpamaky

Fanehoan-kevitra ampitaina amin’ny gazety sy ny mpamaky ary ho an’ireo izay mety hiantefany izao manaraka izao. Hoy Pr Honoré Rakotomanana : manana zom-pirenena ara-dalàna ary Malagasy ray sy reny ny filoha Andry Rajoelina. Manana rà Malagasy.

Izany amiko no tena “FAUX DÉBAT”.

Fa iza moa no tsy mahafantatra izany Ray aman-dreny izany? Malagasy iny ka ! Ny rehetra tsy mandà izany … Saingy tsy any ny ady hevitra e ! Hitako ianareo no manizingizina mafy koa ! Fa iza no miteny hoe tsy Malagasy izy ? Ny fizakany ny ZOM-PIRENENA FRANTSAY anie no resaka e ! Izay miteraka ny fahaverezan’ny zo maha Malagasy azy ary indrindra amin’ny filatsahana ho fidiana. An-taratasy no resaka eto fa tsy fijery ivelany e ! Voarakitra ao amin’ny lalam-panorenana. Izay izany no maha lany fotoana anareo manazava io satria any amin’ny tsy tokony ho azavaina indray ianareo no mamatrapatratra …

Mamonjy Ny Rina
Mpamaky gazety Ny Valosoa Vaovao, Toamasina