Hafatra an-taratasy avy amin’ny mpanao gazety RAHELISOA ARPHINE (Arp Helisoa) avy eny ANTANIMORA

Hafatra,

Miarahaba anareo fianakaviana, namana, mpanao gazety rehetra, ary ireo fikambanana maro mpanao politika sy fiarahamonim-pirenena, sns… tompoko. 6 andro aho izao no nampidirina amponja vonjimaika tety ANTANIMORA. Mafy tena mafy izany satria renimpianakaviana manana adidy amin’ny ankohonany no tafiditra ety amponja. Misaotra anareo rehetra tsy ankanavaka anefa aho fa tena miaraka miharitra ny mafy amiko ianareo mitady ny hevitra rehetra hanampiana ahy amin’izao mahazo ahy izao. Andriamanitra mpitsara marina mahafantatra ny marina indrindra anie homba anareo tsirairay avy amin’ny fanampiana rehetra nataonareo tamiko.

Eto aho dia mahatoky ny Fitsarana Mahefa mba hitsara araka ny fahamarinana satria ny MARINA, MARINA ihany.

Mankasitraka tompoko.

RAHELISOA Arphine