Penjy Randrianarisoa – Tafapetraka amin’ny toeran’ny ben’ny tanànan’Ivato indray

Penny Randrianarisoa, ben’ny tanànan’Ivato (Sary nindramina FB Raharimanana Alice)

Isambilo

Tafapetraka amin’ny toeran’ny ben’ny tanànan’Ivato, distrikan’Ambohidratrimo, faritra Analamanga indray ny ben’ny tanàna teo aloha Penjy Randrianarisoa omaly, teny Ivato.

Fotoam-piasana 4 taona faharoa indray no nanomboka omaly, ho an’ity ben’ny tanàna voafidy tamin’ny lisitry ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM) ity. Nambarany tamin’izany fa “ho entinay ampahamarinana sy ao anatin’ny fahendrena ary hakingana sy mangarahara ny kaomnina Ivato. Tonga amin’ny toerana aho izao, ary hodiovinay ao anatin’ny fotoana fohy ireo fako eran’ny tanàna. Ho amboarina ny simba, ary tsy maintsy tratra ny tanjona dia ilay hoe, Ivato mamirapiratra”, hoy izy.