Rina Randriamasinoro – Hampakatra ny raharaha eny amin’ny filankevi-panjakana

Helisoa

Ho fandravana ny didy izay navoakan’ny “Tribunal Administratif”, mahakasika ny fifidianana ben’ny tanàna farany teo iny, hampakatra ny raharaha eny amin’ny filankevi-panjakana ny kandidà ben’ny tanàna Rina Randriamasinoro sy ny ekipany.

Tsy afaka ny hionona sy hipetrapotsiny amin’ny didy navoaka izy ireo satria hita taratra, fa tsy nandeha araka ny tokony ho izy iny fitsarana iny, ary nitanila ny fitsarana misahana ny ady amin’ny fanjakana.

Etsy andanin’izay, dia nisy ihany koa ny fampitam-baovao nataon’ny teo anivon’ny “Transparency International” fa nisy tamin’ireo mpitsara voakasika tamin’iny raharaha iny no nilaza fa nisy ny tsindry sy baiko nidina natao, ka voatohintohina ny asan’izy ireo.