Ambohimanga Rova Avaradrano – Fivondronan’ny kandidà mitory ny kandidàm-panjakana (RATRE Hery Andriambahoaka)

Nandritra ny tafa tamin’ny mpanao gazety no nampahalalàn’ny fivondronan’ny kandidà tamin’ny fifidianana ben’ny tanàna tao amin’ny kaominina Ambohimanga Rova Avaradrano ny fitoriana  noho ny tsy fahatomombanana nandritra ny fotoam-pifidianana sy mialoha, izay nahitàna fanararaotam-pahefana.

Efa taorian’ny fiafaran’ny fampielezan-kevitra dia tratra nampiasa fitaovam-panjakana ny kandidàm-panjakana (ndlr, RATRE Hery Andriambahoaka). Kitapo ho an’ankizy an-tsekoly fananan’ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena no nozaraina ny ray aman-drenin’ny mpianatra izay mandatsa-bato.

Azo sary ny kandidà nanolotra ny kitapo. Azo sary koa ny kandidà sady miteny no mitazona ny kitapo teny amin’ny toerana antsoina hoe Avarakady. Misy sary hafa koa mampiseho ny sefo ZAP (Zone d’administration pédagogique) Ambohitrabiby sy Ambohimananga mikabary eo anilan’ny kandidàm-panjakana.

Lasa any amin’ny tribunal administratif ny fitoriana miaraka amin’ny porofo.

Ambonin’izany, nandritra ny fampielezan-kevitra dia nantsoina daholo ny lehiben’ny fokontany sy ireo filoha lefitra, ary nentin’ny kandidà nitsangatsangana haka rivotra sy niantoana trano sy sakafo tany Mahajanga. Midika izany fa efa hisy kolikoly avo lenta hanodina ny safidimbahoaka amin’ny fifidianan ben’ny tanàna.

Tsy vitan’izay fa mialoha an’izay ihany dia efa nisy tsy fanarahan-dalàna ny filatsahan’ny kandidàm-panjakana. Raha efa tsy neken’ny OVEC ny kandidàm-panjakana voalohany noho ny tsy fananany carte d’enregistrement, dia nosoloina an’ity kandidàm-panjakana resahina ity tamin’ny fotoana farany, ary dia mbola voaray soa aman-tsara.

Noho ny tsy fanarahan-dalàna nataon’ny kandidàm-panjakana (ndlr, RATRE Hery Andriambahoaka) nanomboka ny fisoratana anarana ka hatramin’ny fidianana dia nijoro ny fivondronan’ny kandidà avy ao amin’ny kaominina Ambohimanga amin’ny alalan’ny fitoriana natao tao amin’ny tribunal administratif.

Ho hita eo ny tohiny.