Lisi-pifidianana – Manodidina ny 3000 ny “doublons” tsikaritry ny TIM

Hanantona ny filohan’ny biraom-pifidianana isan’isany ny TIM ka hahazo ny anaran’ireo olona rehetra miverimberina ireo mpiandraikitra. Ho tompon’andraikitra tanteraka izy ireo amin’ny trangana hala-bato raha sanatria misy izany.

Hahazo ireo lisitra ireo koa ny mpanara-maso sy ny delegen’ny biraom-pifidianana.
Raha sanatria mbola misy amin’izy ireo no mifidy dia midika ho firaisana tsikombakomba avy amin’ny tompon’andraikitra ao amin’ny biraom-pifidianana.

Hisy ny andrimasompokonolona isaky ny biraom-pifidianana. Ka ny olona izay tsy mipetraka ao amin’ny fokontany ka mieritretitra ny hifidy ao amin’ny biraom-pokontany izay lazainy fa misy azy dia tsy ho avelavela foana izany ary hisy ny fisamborana sy ny fandefasana azy any amin’ny mpitandro filaminana.

Manodidina ny 3000 latsaka kely izy ireo

Fantatry ny CENI ny fisian’ireo zavatra ireo.