Andoharanomaitso – 29 Okt – Fidio ny kandidà 25, Marc Ravalomanana

Misaotra an’Andoharanomaitso tamin’ny fanomezana lamba sy satroka ary tehina. Izao no fanomezan-toky ataoko :
Amboarina ny lalana eran’ny Madagasikara ary hisitraka izany ianareo eto. Ho sarotra ny fanenjehina ny dahalo raha tsy vita ny lalana.
Vao tonga ny fanonganam-panjakana dia nirongatra ny asan-dahalo satria naka ny fahefana tamin-kery ary nampiasa basy sy fitaovam-piadiana mahery vaika nanerena ahy hiala teto, niparitaka ireny fitaovam-piadiana ireny ary misy koa ny mampanofa azy ireny amin’ny dahalo, tsy voafehin’ny mpitondra tamin’izany intsony ny fiparitahany ary misy mihitsy no tsy voabaikony intsony ireo mpanongana niaraka taminy.
Efa niteny aho fa hiverina. Hoavy i dada haka ny fahefana amin’ny alalan’ny fomba demokratika, fifidianana , mendrika ny malagasy izany.

Eto anatrehan’ny Andoharanomaitso no iteneniko fa harovana amin’ny ainy ny olona sy ny fananany, harovana ny taniny sy tranony na iza na iza .
Hapetraka ny tribonaly tena marina, iadiana ny kolikoly. Rehefa tafapetraka izay dia milamina ny tanana. Omena fitaovam-piadiana maoderina manaraka ny toetr’andro ny mpitandro filaminana, ampiasaina ny « DRONES », efa manao fanandramana ao Ifanadina izao izahay.
Ampiasaina ny Police de Police, hanaramaso sao misy manao kolikoly, mety misy manko ny mifandray tendro manome « renseignent » amin’ny olon-dratsy.
Avoaka ho lalàna fa tsy mahazo manondrana omby intsony eto Madagasikara, atao izay fomba hampitomboana haingana ny omby.
Hiantohana ny fahasalaman’ny olona, amboarina daholo ny tobim-pahasalamana ary omena fitaovana maoderina.
Omena sakafo ny ny malagasy, rehefa misakafo tsara ny vahoaka dia matanjaka sy salama tsara ary afaka mamokatra.
Omena « kits scolaires » ny ankizy sy tanora ary ny vehivavy omena amin’ny fanofanana arak’asa .